Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpianakavy mampiseho ny fahatsaran'Andriamanitra 

Daty
Zoma 15 November 2024

"Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehôvah izay matahotra Azy." - Sal. 103:13 

Mofon’aina:
Ento eo amin'ny resaka ifanaovanao amin'ny hafa ny tara-masoandron'ny lanitra. Amin'ny fanaovana teny mampahery sy manokana ny hafa no hanehoanao fa mitoetra ao amin'ny fanahinao ny fahamarinan'i Kristy. Mila teny mahafinaritra ny zanaka. Zava-dehibe ho an'ny fahasambaran'izy ireo ny fahatsapany ny fanekena azy. Miezaha mafy mba handresy ny fomba fiteny mivatravatra, ary mikolokoloa feo malefaka. Raiso ny fahatsarana hita ao amin'ireo leson'ny Tenin'Andriamanitra, ary kolokoloy ho toy ny zava-manan-danja iankinan'ny fifaliana sy ny fahombiazan'ny fiainan-tokantranonao izany. (...)

Tsy mamirapiratra ety ivelany amin'ny fotoana manokana fotsiny ny tena fahatsaran-toetra; miseho amin'ny toe-javatra rehetra ny fahasoavan'i Kristy izay mitoetra ao amin'ny fanahy. (...) Tokony hiaina ny fiainan'i Kristy isika, ao an-tokantrano, any ivelany, ao am-piangonana. Fanahy maro eny rehetra eny no mila fiovam-po. Rehefa voasoratra ao am-po ny lalàn'Andriamanitra, ary miseho amin'ny toetra masina, dia ho voatarika haniry izany ireo mahalala ny herin'ny fahasoavan'i Kristy ka hiova fo.

(...) Ny fisaintsainana momba ny fanapahan-kevitra raisina any an-danitra amin'izao ankehitriny izao dia tokony handrisika ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany hanana fahatahorana sy fitiavana an'Andriamanitra. Tsy ny teny mahery sy ny famaizana noho ny fahadisoana no ahavitana izany indrindra, fa amin'ny fiambenana sy ny fivavahana mba tsy ho azon'ny fandrik'ilay fahavalo izy ireo. (...)

Tokony ho vonona hanao asa manokana ny vahoakan'Andriamanitra. Ny ankizy sy ireo olon-dehibe ao amin'ny fianakaviana dia samy asaina manao ny anjarany amin'ny fikatsahana hamonjy ireo efa ho very. (...)

Ilain'ny ray aman-dreny ny mahatakatra bebe kokoa sy manome voninahitra ny andraikitra napetrak’Andriamanitra hosahaniny, dia  ny haneho Azy amin'ireo zanaka. Arakaraka ny toetra asehon'ny ray aman-dreny amin'ny fifandraisana eo amin'ny fiainana andavanandro no haneho amin'ny zanaka ny hevitr'izao tenin'Andriamanitra izao: "Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran’i Jehôvah izay matahotra Azy" Sal 103:13. "Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo." Isa. 66:13. - RC, t. 185. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal