Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Iray tahaka ny firaisan'i Kristy amin'ny Ray.

Daty
Sabotsy 16 November 2024

 "Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao,Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika." - Jao. 17:11

Mofon’aina:

Aiza no hahitantsika ny fahadiovana, sy ny fahatsaran-toetra ary ny fahamasinana izay hiantoka ny fiarovana antsika? Aiza no misy valan'ondry tsy azon'ny amboadia hidirana? (...) Manana tena voalamina izay hataony fitaovana hiasana ny Tompo. Mety mihoatra noho ny roapolo ny Jodasy eo amin'izy ireo; mety misy Petera izay handà ny Tompony rehefa tonga ny fizahan-toetra; mety ho ao koa ireo tahaka an'i Jaona ilay tian'i Jesôsy izay manana hafanam-po mety hanimba ny fiainan'ny hafa amin'ny fiantsoana afo avy any an-danitra ho famaliana azy ireo noho ny fitenenany ratsy an'i Kristy sy ny fahamarinana. Kanefa ilay Mpampianatra lehibe dia mitady ny fomba hanomezana lesona (...) ho fanitsiana ireo faharatsiana ireo. Tahaka izany koa no ataony amin'ny fiangonany ankehitriny. (...)

Asehony azy ireo fa mampidi-doza ny fitiavan-tena sy ny avonavona ary ny fanandratan-tena rehetra, ny tsy finoana sy ny hevitra mibahana mialoha rehetra, izay mitarika ho amin'ny fanoherana ny fahamarinana sy fialana amin'ilay tena fahazavana, ary raha tsy ibebahana ireny dia ho tavela ao amin'ny haizina tahaka ny firenena jiosy tamin'izany andro izany ny olona izay mankamamy azy. Aoka ny fanahy tsirairay amin'izao andro izao hikatsaka izay hahazoan'i Kristy valim-bavaka. Aoka ny fanahy tsirairay avy hamerina ao an-tsainy izany vavaka izany, (...) mba ho iray tahaka ny maha-iray an'i Kristy sy ny Ray ny rehetra (...). Aoka izy ireo tsy hampitodika ny fitaovam-piadiana ho ao amin'ny laharana misy antsika fa hampitodika izany kosa amin'ireo fahavalon'Andriamanitra sy ny fahavalon'ny fahamarinana. (...) 

Tsy maintsy vohana hidiran'ny Fanahy Masina ny varavaran'ny fo. (...) Vakio ny vavaka nataon'i Kristy ho amin'ny firaisantsika (Jao. 17:11). Tsy ho an'ireo mpianatra ankehitriny ihany izany vavak'i Kristy izany, fa ho an'ireo rehetra mino Azy amin'ny alalan'ny tenin'ireo mpianany, eny hatramin'ny faran'izao tontolo izao (...). - RC, t. 199.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal