Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sakaizan'ny olona rehetra i Jesôsy.

Daty
Alarobia 20 November 2024

"Dia hoy indray Izy: Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." - Heb. 10:9 

Mofon’aina:
Afmbony lavitra noho ny ahamendrehan'ireo mpisorona y mpanapaka ny fahame-ndrehan' i Kristy amin'ny maha-Mpampianatra avy any an-danitra Azy. Niavaka tamin'ny fisehosehoana araka izao tontolo izao rehetra izany (...). Nidina avy teo amin'ny toerana ambony maha-Kômandy Azy Izy hitondra hery ho an'ny olombelona mba hahatongavan'izy ireo ho zanak' Andriamanitra (…). Azony natao ny nitondra anjely an'arivony maro niaraka taminy mba hanampy Azy amin'ny asa fanavotana ny taranak'olombelona. 

Tsy nitoetra tamin'ny trano feno harena Izy, na ny lapan'ny mpanjaka, (...) fa naleony nifidy an'i Nazareta, tanàna feno haizina sy natao tsinontsinona, ho fonenany. Fiainana feno fahantrana sy fanetren-tena no niainany, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. (...)

Tsy nisy mpampianatra nanome voninahitra ny olombelona tahaka izay nataon'i Jesôsy Kristy Tompontsika. Fantatra tamin'ny maha-Sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota Azy Izy. Nifangaro tamin'ny saranga rehetra Izy, ary namafy fahamarinana teto amin'izao tontolo izao. (...) Sakaizan'ny olona rehetra Izy. Moa ve tsy nivoady ny hitondra fiainana sy fahazavana ho an' izay rehetra handray Azy Izy? Moa ve tsy nianiana ny hanome hery azy ireo Izy mba hahatongavan'izy ireo ho zanak'Andriamanitra? Nanolotra ny Ainy manontolo ho amin'ny asa famonjem-panahy Izy (...)

Fahafoizany ny fiainany manontolo ny fanandramana isan' andro raha "nandehandeha nanan soa" Izy. Fomba tokana ihany no nanohana izany fiainana izany. Niankina tamin'Andriamanitra i Jesôsy ary niray Taminy. Ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra, eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha no ankanesan'ny olona, ankehitriny sy taloha; mitoetra ao izy (... ) ka asa mendrika no vokatr 'izany; mihaosa ihany anefa ny finoana, tapaka ny firaisana ary voapentina ny asa atao. Ny fiainan'i Kristy kosa dia fitokiana tsy miovaova, izay tohanan'ny firaisana mitohy; ary tsy misy hokianina (...) ny fanompoany ny lanitra sy ny tany. Amin'ny maha-Olona Azy no nitalahoany ny seza fiandrianan' Andriamanitra, mandra-pahatonga ny maha-Olona Azy ho voafahan' ny heryavy any an-danitra izay nampifandray ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olona. Nandray fiainana avy tamin'Andriamanitra Izy ary mizara izany amin'ny olona. - RC, t. 228 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal