Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tombam-bidin'ny fahoriana

Daty
Alahady 27 October 2024

"Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika." - Rôm. 8:18 

Mofon’aina:
Misy lesona mahatalanjona ahazoan'ny Kristianina hery sy tanjaka ao amin'ny fanandraman'ny apôstôly Jaona rehefa niharan'ny fanenjehana izy. Tsy sakanan'Andriamanitra tsy hanao tetika maizina ny ratsy fanahy, fa ahodiny kosa ny fikasan-dratsiny ho soa ho an'ireo ianjadian'ny fahoriana sy iharan'ny tolona, mba hitehirizana ny finoany sy ny fahamarinany. Mazàna eo anivon'ny ranonoram-baratry ny fanenjehana no anatontosan'ny mpitory ny filazantsara ny asany, ary ao anatin'ny fanoherana feno habibiana sy fampijaliana no ijoroany ho vavolombelona. Aoka hotsaroany amin'izany andro izany fa ny fanandramana azo tao anatin'ny memy afon'ny fitsapana sy ny fahoriana dia mendrika ny fijaliana niaretana mba hahazoana azy.

Toy i zany no iantsoan'Andriamanitra ny zanany hanakaiky Azy mba hanehoany aminy ny heriny ho solon'ny fahalemeny. Mampianatra azy hiankina Aminy izy, ary manomana azy amin'izany fomba izany, hiatrika ny fotoan-tsarotra, mba hahazoany mandray toerana ilana olona mahatoky sy hanatanteraka ny andraikitra nanomezana talenta manokana azy.

Niharan'ny fanaratsiana mandrakariva sy ny fanenjehana noho ny amin'ny fahamarinana ireo vavolombelona notendren' Andriamanitra. (...) Nohazain'ny fahavalony toy ny bibidia i Davida, ilay mpitondra hafatra nofidin' Andriamanitra. Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela noho ny toetra mahatoky nananany tamin' Andriamanitra. Nofonganana tsy hisy teo amin'i Jôba avokoa ny fananany rehetra tety an-tany, ary tena nijaly mafy indrindra tamin'ny aretina nahazo azy izy, (...) nefa nijoro tsy azo nohozongozonina kosa. (...)

Samy nijoro ho vavolombelon'ny fahatokiana amin'ny teny fikasan' Andriamanitra ireny ohatry ny fijoroan'ny olona ireny (...). Naneho ny herin'ny finoana izay mahajoro eo anatrehan'ny fahefan'izao tontolo izao izy ireo. (...)

(...) Tamin'ny alalan'ny fizahan-toetra sy ny fanenjehana no nanehoana teo amin'ireo voafidin'Andriamanitra ny Voninahiny sy ny Toetrany. Nobeazina sy nofehezina tao amin'ny sekolin'i Kristy ireo mpino Azy, izay halan'izao tontolo izao sy enjehiny. Mandeha amin'ny lalana ety izy ireo eto an-tany; voadio amin'ny lafaoro mirehitry ny fahoriana izy ireo. - RC, t. 357. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal