Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tombam-bidin'ny fahoriana

Daty
Alahady 27 October 2024

"Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika." - Rôm. 8:18 

Mofon’aina:
Misy lesona mahatalanjona ahazoan'ny Kristianina hery sy tanjaka ao amin'ny fanandraman'ny apôstôly Jaona rehefa niharan'ny fanenjehana izy. Tsy sakanan'Andriamanitra tsy hanao tetika maizina ny ratsy fanahy, fa ahodiny kosa ny fikasan-dratsiny ho soa ho an'ireo ianjadian'ny fahoriana sy iharan'ny tolona, mba hitehirizana ny finoany sy ny fahamarinany. Mazàna eo anivon'ny ranonoram-baratry ny fanenjehana no anatontosan'ny mpitory ny filazantsara ny asany, ary ao anatin'ny fanoherana feno habibiana sy fampijaliana no ijoroany ho vavolombelona. Aoka hotsaroany amin'izany andro izany fa ny fanandramana azo tao anatin'ny memy afon'ny fitsapana sy ny fahoriana dia mendrika ny fijaliana niaretana mba hahazoana azy.

Toy i zany no iantsoan'Andriamanitra ny zanany hanakaiky Azy mba hanehoany aminy ny heriny ho solon'ny fahalemeny. Mampianatra azy hiankina Aminy izy, ary manomana azy amin'izany fomba izany, hiatrika ny fotoan-tsarotra, mba hahazoany mandray toerana ilana olona mahatoky sy hanatanteraka ny andraikitra nanomezana talenta manokana azy.

Niharan'ny fanaratsiana mandrakariva sy ny fanenjehana noho ny amin'ny fahamarinana ireo vavolombelona notendren' Andriamanitra. (...) Nohazain'ny fahavalony toy ny bibidia i Davida, ilay mpitondra hafatra nofidin' Andriamanitra. Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela noho ny toetra mahatoky nananany tamin' Andriamanitra. Nofonganana tsy hisy teo amin'i Jôba avokoa ny fananany rehetra tety an-tany, ary tena nijaly mafy indrindra tamin'ny aretina nahazo azy izy, (...) nefa nijoro tsy azo nohozongozonina kosa. (...)

Samy nijoro ho vavolombelon'ny fahatokiana amin'ny teny fikasan' Andriamanitra ireny ohatry ny fijoroan'ny olona ireny (...). Naneho ny herin'ny finoana izay mahajoro eo anatrehan'ny fahefan'izao tontolo izao izy ireo. (...)

(...) Tamin'ny alalan'ny fizahan-toetra sy ny fanenjehana no nanehoana teo amin'ireo voafidin'Andriamanitra ny Voninahiny sy ny Toetrany. Nobeazina sy nofehezina tao amin'ny sekolin'i Kristy ireo mpino Azy, izay halan'izao tontolo izao sy enjehiny. Mandeha amin'ny lalana ety izy ireo eto an-tany; voadio amin'ny lafaoro mirehitry ny fahoriana izy ireo. - RC, t. 357. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal