Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo miverina amin'ny Ialana taloha

Daty
Alakamisy 28 November 2024

"Eny, ny navotan’i Jehôvah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana." - Isa. 35:10 

Mofon’aina:
Feno lehilahy sy vehivavy maneho tsy fahatsapana ny andraikiny manoloana an'Andriamanitra (...) izao tontolo izao. Tsy tsapan'izy ireo fa nanankina talenta taminy Andriamanitra, tsy ho amin'ny fanomezam-boninahitra ny tenan'izy ireo (...) fa ho Voninahiny. (...)

(...) Maro amin' izy ireo anefa no mitady hanatratra fotsiny ny tanjony feno fitiavan-tena, ka tsy misaina ny haja amam-boninahitr'Andriamanitra. Efa nahita ny fahazavan'ny fahamarinana ny sasany amin'izy ireo saingy noho ny fanomezany voninahitra ny tenany, dia tsy nataony ho lohalaharana (...) Andriamanitra. Niala tamin'ny fahamarinan'ny Baiboly izy ka nanjary mpisalasala sy tsy mahatoky. Rehefa nampitsahatra izany asany izany ny famaizan'Andriamanitra, ary nitaona azy hiverina amin'ny lalany teo aloha ny fahoriana, dia niala tao amin'ny fisainany ny zavon'ny fisalasalana. Mibebaka ny sasany (...) ary miverina amin'ny fitiavana voalohany (...). Tsy manetsika azy intsony ny fitiavam-bola na ny faniriana feno fitiavan-tena. (...) Rehefa miseho izany fiovana mahatalanjona izany, dia tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hifantoka amin-javatra vaovao ny saina, miova ny toetra, ary mifantoka amin'ny zavatra any ambony ny fanirian'ny fanahy.

Manana hery (...) ny tena fivavahana marina. Izany no manome fahafahana ny olona handresy ny hery miasa manginan'ny avonavona izay sarotra resena, sy ny fitiavan-tena ary ny tsy finoana. (...) Hitarika ny olona ho eo amin'ny hazo fijalian'i Jesôsy izany; hanjary mpiasa mazoto sy feno fanoloran-tena ary mahatoky izy (...). 

Nampiavaka ireo mahery fon'ny finoana hatrizay ny fahatokiana tamin'Andriamanitra. (...) Nitarika ny hafa hanome voninahitra an'Andriamanitra ny fankatoavan'izy ireo ny baikon'i Kristy hoe: "Mandrosoa".

Misy mahery fo koa ankehitriny, lehilahy sy vehivavy izay miaina fiainana mendrika, (...) feno fandavan-tena. Tsy mikatsaka ny hahazo laza araka izao tontolo izao izy ireo. (...) Ny fitiavana an'Andriamanitra no manetsika azy hiasa. (...)

Nandray ny tena fahalalana marina ireo, eny, ny fahalalana izay asehon'i Kristy ao amin'ny teniny hoe: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." - Jao. 17:3 - RC, t. 346

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal