Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo miverina amin'ny Ialana taloha

Daty
Alakamisy 28 November 2024

"Eny, ny navotan’i Jehôvah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana." - Isa. 35:10 

Mofon’aina:
Feno lehilahy sy vehivavy maneho tsy fahatsapana ny andraikiny manoloana an'Andriamanitra (...) izao tontolo izao. Tsy tsapan'izy ireo fa nanankina talenta taminy Andriamanitra, tsy ho amin'ny fanomezam-boninahitra ny tenan'izy ireo (...) fa ho Voninahiny. (...)

(...) Maro amin' izy ireo anefa no mitady hanatratra fotsiny ny tanjony feno fitiavan-tena, ka tsy misaina ny haja amam-boninahitr'Andriamanitra. Efa nahita ny fahazavan'ny fahamarinana ny sasany amin'izy ireo saingy noho ny fanomezany voninahitra ny tenany, dia tsy nataony ho lohalaharana (...) Andriamanitra. Niala tamin'ny fahamarinan'ny Baiboly izy ka nanjary mpisalasala sy tsy mahatoky. Rehefa nampitsahatra izany asany izany ny famaizan'Andriamanitra, ary nitaona azy hiverina amin'ny lalany teo aloha ny fahoriana, dia niala tao amin'ny fisainany ny zavon'ny fisalasalana. Mibebaka ny sasany (...) ary miverina amin'ny fitiavana voalohany (...). Tsy manetsika azy intsony ny fitiavam-bola na ny faniriana feno fitiavan-tena. (...) Rehefa miseho izany fiovana mahatalanjona izany, dia tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hifantoka amin-javatra vaovao ny saina, miova ny toetra, ary mifantoka amin'ny zavatra any ambony ny fanirian'ny fanahy.

Manana hery (...) ny tena fivavahana marina. Izany no manome fahafahana ny olona handresy ny hery miasa manginan'ny avonavona izay sarotra resena, sy ny fitiavan-tena ary ny tsy finoana. (...) Hitarika ny olona ho eo amin'ny hazo fijalian'i Jesôsy izany; hanjary mpiasa mazoto sy feno fanoloran-tena ary mahatoky izy (...). 

Nampiavaka ireo mahery fon'ny finoana hatrizay ny fahatokiana tamin'Andriamanitra. (...) Nitarika ny hafa hanome voninahitra an'Andriamanitra ny fankatoavan'izy ireo ny baikon'i Kristy hoe: "Mandrosoa".

Misy mahery fo koa ankehitriny, lehilahy sy vehivavy izay miaina fiainana mendrika, (...) feno fandavan-tena. Tsy mikatsaka ny hahazo laza araka izao tontolo izao izy ireo. (...) Ny fitiavana an'Andriamanitra no manetsika azy hiasa. (...)

Nandray ny tena fahalalana marina ireo, eny, ny fahalalana izay asehon'i Kristy ao amin'ny teniny hoe: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." - Jao. 17:3 - RC, t. 346

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal