Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miahy ny olony Andriamanitra 

Daty
Zoma 29 November 2024

"Ny mason’i Jehôvah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany." - Sal. 34:15 

Mofon’aina:
Aza manaiky ho resin'ny fahakiviana. Hampaherezina izay reraka am-po ary hanana fanantenana indray ireo kivy. Miahy ny olony amim-pitiavana Andriamanitra. Mihaino ny fitarainan'izy ireo ny sofiny. Tsy manahy ny amin'ny asan'Andriamanitra aho satria hiahy ny asany Izy. Ny adidintsika dia ny manao ny anjara asantsika sy miaina (...), manetry tena eo an-tongotry ny hazo fijaliana, ary miaina fiainana mahatoky sy masina eo anatrehany. Tsy ho menatra isika raha manao izany fa hatoky an'Andriamanitra amin'ny fahasahiana masina ny fanahintsika.

Efa nesorin'Andriamanitra ny enta-mavesatra nentintsika; efa nanafaka antsika Izy. (...) Tsy foana tsy akory ny fihazakazahantsika sy ny fisasarantsika. Mahalala antsika i Jesôsy. (...) Ho avy ny andro fitsarana ary hotsaraina araka ny asany avy ny rehetra. (...) 

Marina tokoa fa maizina izao tontolo izao. Mety hihamahery tokoa ny fanoherana. (...) Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy hihontsona isika. Tsy ho very hevitra isika, sanatria! Tsy mihozongozona ny foko fa matoky an'Andriamanitra. Azontsika atao ny mifaly ao amin'ny fahatanterahany lehibe. (...)

Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina dia mitarika antsika hanana ny fahatsoran'ny zaza. Maniry ny hivavaka sy hiteny amim-panetren-tena isika, ary tsy mikendry afa-tsy ny hanome voninahitra an'Andriamanitra irery. Betsaka loatra ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra kanefa tsy manana ny heriny. Hitarika ho amin'ny fiaikena izany amim-pankasitrahana ny firotsahan'ny Fanahin'Andriamanitra; ary raha mahatsapa sy mahita ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona isika, dia tsy hangina fa hitondra fanatitra eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny feo mitory fisaorana ary hanao hira ho Azy amin'ny fontsika sy ny feontsika. Andeha hijoro eo amin'ilay Vatolampy Fahagola, dia hanana fampiononana sy fanohanana mitoetra isika. Hitsahatra ao amin'Andriamanitra amin'ny fitokiana tsy azo hozongozonina ny fanahintsika. 

Nahoana moa isika no zara raha mankeo amin'ilay loharano kanefa izany dia feno no sady maimaimpoana? Ilain'ny fanahintsika ny misotro eo amin'izany loharano izany mba ho velombelona isika ary hitombo ao amin'Andriamanitra. (...) - RC, t. 351.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (1)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal