Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miahy ny olony Andriamanitra 

Daty
Zoma 29 November 2024

"Ny mason’i Jehôvah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany." - Sal. 34:15 

Mofon’aina:
Aza manaiky ho resin'ny fahakiviana. Hampaherezina izay reraka am-po ary hanana fanantenana indray ireo kivy. Miahy ny olony amim-pitiavana Andriamanitra. Mihaino ny fitarainan'izy ireo ny sofiny. Tsy manahy ny amin'ny asan'Andriamanitra aho satria hiahy ny asany Izy. Ny adidintsika dia ny manao ny anjara asantsika sy miaina (...), manetry tena eo an-tongotry ny hazo fijaliana, ary miaina fiainana mahatoky sy masina eo anatrehany. Tsy ho menatra isika raha manao izany fa hatoky an'Andriamanitra amin'ny fahasahiana masina ny fanahintsika.

Efa nesorin'Andriamanitra ny enta-mavesatra nentintsika; efa nanafaka antsika Izy. (...) Tsy foana tsy akory ny fihazakazahantsika sy ny fisasarantsika. Mahalala antsika i Jesôsy. (...) Ho avy ny andro fitsarana ary hotsaraina araka ny asany avy ny rehetra. (...) 

Marina tokoa fa maizina izao tontolo izao. Mety hihamahery tokoa ny fanoherana. (...) Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy hihontsona isika. Tsy ho very hevitra isika, sanatria! Tsy mihozongozona ny foko fa matoky an'Andriamanitra. Azontsika atao ny mifaly ao amin'ny fahatanterahany lehibe. (...)

Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina dia mitarika antsika hanana ny fahatsoran'ny zaza. Maniry ny hivavaka sy hiteny amim-panetren-tena isika, ary tsy mikendry afa-tsy ny hanome voninahitra an'Andriamanitra irery. Betsaka loatra ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra kanefa tsy manana ny heriny. Hitarika ho amin'ny fiaikena izany amim-pankasitrahana ny firotsahan'ny Fanahin'Andriamanitra; ary raha mahatsapa sy mahita ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona isika, dia tsy hangina fa hitondra fanatitra eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny feo mitory fisaorana ary hanao hira ho Azy amin'ny fontsika sy ny feontsika. Andeha hijoro eo amin'ilay Vatolampy Fahagola, dia hanana fampiononana sy fanohanana mitoetra isika. Hitsahatra ao amin'Andriamanitra amin'ny fitokiana tsy azo hozongozonina ny fanahintsika. 

Nahoana moa isika no zara raha mankeo amin'ilay loharano kanefa izany dia feno no sady maimaimpoana? Ilain'ny fanahintsika ny misotro eo amin'izany loharano izany mba ho velombelona isika ary hitombo ao amin'Andriamanitra. (...) - RC, t. 351.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal