Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristianina maneho taratra ny fahazavan'ny lanitra

Daty
Sabotsy 30 November 2024

"Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin 'izay rehetra ao an-trano izany." - Mat. 5:14,15 

Mofon’aina:
Hianareo no fahazavan 'izao tontolo izao" hoy i Kristy tamin'ireo mpianany (Mat. 5:14). (...) Tsy manana fahazavana azy manokana anefa izy ireo, fa ny taratry ny fahazavan'ny Lanitra no asaina asehony amin'izao tontolo izao.

 "Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. " Ny fisainantsika sy ny fikasantsika no loharano miafin'ny asa ataontsika, ary mamaritra ny toetrantsika (...). (...) Hitan'Andriamanitra mazava avokoa ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny fironantsika, na dia tsy hitan'ny olombelona aza. (...) 

Fijoroana ho vavolombelona manameloka ny fahotana sy ny mpanota ny fiainana masin'ny Kristianina sy ny resaka masina ataony. I Kristy anefa no tokony hasehony amin'izany fa tsy ny tenany. I Kristy no fanefitra lehibe ho an'ny ota. Nomen'ilay Mpanavotra be fangorahana antsika ny fanampiana rehetra ilaintsika. Vonona Izy ny hampitafy ny fahamarinany amin'izay mibebaka amin'ny fony marina, ary koa ny handrehitra ao am-pon'izany olona izany ny fitiavan'Andriamanitra (...). Andeha àry isika hanambara ny maha-vavolombelony antsika eto an-tany; ambasadaorony avy any amin'ny lapan'ny lanitra isika. Andeha homentsika voninahitra Ilay soloantsika tena amin'ny fijoroantsika ho mahatoky eo anatrehan'ny asa napetraka tamintsika, dia ny ho mpitondra fahazavana ho an' izao tontolo izao. 

Izay hahazo ny fiainana mandrakizay amin'ny farany dia maneho hafanam-po sy fanoloran-tena ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra eto an-tany. Tsy hitsoaka adidy izy rehefa manatona ny fizahan-toetra sy ny zava-tsarotra ary ny faniniana. (...) Tsy hanao fanontaniana mitory fisalasalana izy rehefa aseho eo anatrehany ny fitakiana mazavan'ny Soratra Masina ka hanao hoe: inona no holazain'ireo namako raha miandany amin'ny vahoakan'Andriamanitra aho? (...)

Ambaran'i Jesôsy fa tsy menatra ny hiantso ireo mpanara-dia Azy amin'ny fo ho rahalahiny Izy. Hiandany amin'izy ireo ilay Andriamanitry ny fahamarinana ary tsy mba handao azy. Ho toy ny tombon-tsoa mandrakizay ho azy ireo ny fatiantoka azony noho ny amin'i Kristy. - RC, t. 379 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal