Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana mandrakizay no itiavany antsika

Daty
Alakamisy 31 October 2024

 "Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin'ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy." - Efes. 2:4,5.

Mofin’aina:    
Ny fo manaiky ny fifehezan'Andriamanitra feno fahendrena dia hatoky ny fomba fitantanany rehetra (...). Ho avy hanakivy ny fakam-panahy, kanefa inona ny soa azo raha milefitra amin'ireny fakam-panahy ireny? Mahazo tombony ve ny fanahy amin'ny fimonomononana amin' Ilay hany loharanon'ny heriny? Mamikitra tsara ve ny vatofantsika? Ho tafajoro ao anatin'ny aretina ve? (...) Mamikitra mafy ny vatofantsika! Fantatro fa velona ny Mpanavotra Ahy. (...)

Ry Jesôsy be fitiavana, be fahari-po sy mpamindra fo ô, mankalaza Anao ny fanahiko! Fa afaka mijoro eo anatrehan'Andriamanitra masina, tanteraka ao amin'ny fahamarinan'i Kristy, Ilay Mpisolo sy Mpiantoka, ny fanahy mahantra sy tsy mendrika ary maloton'ny fahotana! Mitalanjòna ry lanitra, migaga ry tany, fa tiany ny mpanota (...). Mifaly sy mihira noho ny amin'izy ireo Izy, ary ny olona maloton'ny fahotana, rehefa avy nodiovina tamin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy, dia entina eo anatrehan'ny Ray, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany intsony (Efes. 5:27). "Iza no hiampanga ny olom-boafidin 'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy." —Rôm. 8:33.

Aoka ny fanahy tsirairay osa sy ahozongozon'ny tafiotra hamikitra amin'i Kristy ka tsy hifantoka amin'ny tenany, mba tsy ho kivin'ny fahadisoam-panantenana madinidinika na ny faharavan'ny fikasany. Tsy mahaliana fatratra ve ny drafi-panavotana? (...) Naneho ny fitiavany ny olona Andriamanitra tamin'ny namoizany ny ainy ho azy! Melohin'ny lalàna ny mpanota ary entiny ho eo amin' i Kristy. Ary Andriamanitra no manamarina sy mamela ny helony.

Hiampanga antsika i Satana ary hitady fahazoan-dalana handringana antsika, saingy manokatra varavarana hidirana ao amin'ny fialofana Andriamanitra. Koa raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Oh! Fahamarinana be voninahitra re izany! (...) Nahoana no tsy mitory ny fitiavan'i Kristy tsy manam-paharoa izay rehetra mino? (...)

Velona sy manjaka i Kristy. Tsy maintsy mitolona amin-kerim-po tahaka ny miaramilan'i Kristy izay rehetra novonjena; dia ho voasoratra ao amin'ny bokin'ny lanitra toy ny mpanompo mahatoky sy marina ny anaran'izy ireo. — UL, t. 377. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal