Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fizarana 2

Daty
Alarobia 20 November 2024

Hoy i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana: "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy" - Jao. 5:39. Fanambarana sahy tokoa izany, izay nilazany ny Tenany!

Samy manana ny heviny ny olona, fa misy mpandinika sasany milaza fa faminaniana an-jatony ao amin'ny TT no tanterak'i Jesősy avy any Nazareta. Na firy na firy izany, dia mampitolagaga ny mety hisian'ny olona iray mahatanteraka na dia vitsy monja amin'ireo fotsiny aza, mainka moa fa izy rehetra. Mampiasa sary an'ohatra toy izao ny olona sasany: alao sary an-tsaina hoe fenoina vola madinika miavosa hatreo amin'ny antsasa-metatra eo ny faritra iray mitovy velarana amin'i Texas, ka ny anankiray amin'ireo vola madinika ireo lokoina mavokely, dia afangaro izy rehetra. Avy eo, asao ny olona iray mitampi-maso haka vola madinika iray ao amin'ireo. Raha tsy afaka misafidy vola madinika afa-tsy indray mandeha izy, firy isan-jato ny taha mety hahazoany ilay mavokely?

Tsy isalasalana fa efa voalaza mialoha ao amin'ny TT ny nahaterahan'i Kristy sy ny fiainany ary ny fahafatesany, izay porofo mahagagan'ny maha-Mesia an'i Kristy, Ilay nandrasana. Imbetsaka no iresahan'i Jaona ny amin'ireo andalana avy ao amin'ny TT ireo mba hanazavany ny hoe: Iza i Jesôsy, ary koa, nahoana isika no tokony hino Azy sy hanaiky ny famonjena atolony.

Inona no ambaran'ireto andininy manaraka ao amin'ny filazantsaran'l Jaona ireto mikasika an'i Jesôsy, Izay nahatanteraka ny faminaniana momba ny Mesia?

Jao. 12:13, Sal. 118:26 ……………………………………………………………………..……………

Jao. 12:14,15; Zak. 9:9 ……………………………………………………………………..……………

Jao. 13:18, Sal. 41:9 ……………………………………………………………………..………………

Jao. 19:37, Zak. 12:10, Zak. 13:6 ……………………………………………………………………..

Miorina tsara amin'ny finoanao ve ianao? Raha misy olona manontany ny antony mahatonga anao hino an'i Jesôsy ho Mesia, dia inona no mety havalinao, aiza no halehanao, ary nahoana, mba hiarovanao izany finoana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal