Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitsaran'Andriamanitra eto an-tany.

Daty
Alarobia 04 December 2024

 «Ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany.» - Lio. 21:26. 

Mofon’aina:
Raha mba ao an-tsain'ny vahoakan'Andriamanitra mantsy ny faharavana mananontanona ireo tanàna an'arivony izay saika voatolotra manontolo amin'ny fanompoan-tsampy ankehitriny! (...)

Vao tsy ela akory izay dia nisy tranga mahatalanjona niseho teo anatrehako. Nahita vaingan'afo lehibe nilatsaka teny amin'ny trano tsara tarehy aho izay nitarika ny faharavan'izy ireo niaraka tamin'izay. Nandre olona niteny aho hoe: «Fantatsika fa tonga amin'ny tany ny fitsaran'Andriamanitra saingy tsy noheverintsika ho haingana toy izao ny fiaviany». Dia hoy ny hafa: (...) Nahoana no tsy nilaza izany taminay ianareo? Tsy nahalala izany izahay». Nandre teny toy izany hatraiza hatraiza aho (...)

Loza maro mampalahelo no hihatra amin'ny firenena afaka fotoana fohy (...) hatramin'ny fiavian' i Jesôsy. Araka izay tsy mbola natao hatramin'izay dia tokony hiezaka mafy isika hanompo Ilay nanomana ny seza fiandrianany any an-danitra ka ny fanjakany dia eo amin'izao rehetra izao. Tsy nandao ny vahoakany Andriamanitra ary ny tanjatsika dia ao amin'ny tsy fandaozantsika Azy. 

Eny amin'ny firenena ny fitsaran'Andriamanitra. Ny ady sy ny filazan' ady, ny fahapotehana avy amin'ny afo sy ny tondra-drano, dia milaza mazava tsara fa efa akaiky ny fotoan-tsarotra izay tsy hitsaha-mitombo (...). Tsy manana fotoana holanina isika. Lian'ady izao tontolo izao. Ireo faminaniana ao amin'ny Daniela toko 11 dia efa hahatratra ny fahatanterahany farany. (...)

Tranga iray mahatahotra no naseho teo anoloako (...) raha iny hifoha iny aho. Toa nifoha tamin'ny torimasoko aho saingy tsy tao an-tranoko. Avy teo amin'ny varavarankely no nahafahako nahita haintrano mahatsiravina. Vaingan'afo lehibe no nilatsaka tamin'ny trano, ka nipitika teny rehetra teny ny afo avy tamin'izany vaingana izany. Tsy azo natao ny namehy ny afo nirehitra ka toerana maro no rava. Tsy hita hofaritana ny tahotra nahazo ny olona. 

Ho mafy indrindra ny hanjo ny tanàn-dehibe. Tsy hihatra aminy anefa ny fahatezeran'Andriamanitra lehibe indrindra, satria fanahy marobe no (...) hibebaka sy hiova fo, na dia eo koa aza ireo vahoaka ankapobeny izay hirakitra fahatezerana ho amin'ny andro fahatezerana. — Ma, t. 25 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal