Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitsaran'Andriamanitra eto an-tany.

Daty
Alarobia 04 December 2024

 «Ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany.» - Lio. 21:26. 

Mofon’aina:
Raha mba ao an-tsain'ny vahoakan'Andriamanitra mantsy ny faharavana mananontanona ireo tanàna an'arivony izay saika voatolotra manontolo amin'ny fanompoan-tsampy ankehitriny! (...)

Vao tsy ela akory izay dia nisy tranga mahatalanjona niseho teo anatrehako. Nahita vaingan'afo lehibe nilatsaka teny amin'ny trano tsara tarehy aho izay nitarika ny faharavan'izy ireo niaraka tamin'izay. Nandre olona niteny aho hoe: «Fantatsika fa tonga amin'ny tany ny fitsaran'Andriamanitra saingy tsy noheverintsika ho haingana toy izao ny fiaviany». Dia hoy ny hafa: (...) Nahoana no tsy nilaza izany taminay ianareo? Tsy nahalala izany izahay». Nandre teny toy izany hatraiza hatraiza aho (...)

Loza maro mampalahelo no hihatra amin'ny firenena afaka fotoana fohy (...) hatramin'ny fiavian' i Jesôsy. Araka izay tsy mbola natao hatramin'izay dia tokony hiezaka mafy isika hanompo Ilay nanomana ny seza fiandrianany any an-danitra ka ny fanjakany dia eo amin'izao rehetra izao. Tsy nandao ny vahoakany Andriamanitra ary ny tanjatsika dia ao amin'ny tsy fandaozantsika Azy. 

Eny amin'ny firenena ny fitsaran'Andriamanitra. Ny ady sy ny filazan' ady, ny fahapotehana avy amin'ny afo sy ny tondra-drano, dia milaza mazava tsara fa efa akaiky ny fotoan-tsarotra izay tsy hitsaha-mitombo (...). Tsy manana fotoana holanina isika. Lian'ady izao tontolo izao. Ireo faminaniana ao amin'ny Daniela toko 11 dia efa hahatratra ny fahatanterahany farany. (...)

Tranga iray mahatahotra no naseho teo anoloako (...) raha iny hifoha iny aho. Toa nifoha tamin'ny torimasoko aho saingy tsy tao an-tranoko. Avy teo amin'ny varavarankely no nahafahako nahita haintrano mahatsiravina. Vaingan'afo lehibe no nilatsaka tamin'ny trano, ka nipitika teny rehetra teny ny afo avy tamin'izany vaingana izany. Tsy azo natao ny namehy ny afo nirehitra ka toerana maro no rava. Tsy hita hofaritana ny tahotra nahazo ny olona. 

Ho mafy indrindra ny hanjo ny tanàn-dehibe. Tsy hihatra aminy anefa ny fahatezeran'Andriamanitra lehibe indrindra, satria fanahy marobe no (...) hibebaka sy hiova fo, na dia eo koa aza ireo vahoaka ankapobeny izay hirakitra fahatezerana ho amin'ny andro fahatezerana. — Ma, t. 25 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal