Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fantaro ny zavatra rehetra

Daty
Talata 10 December 2024

 "Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy." - Mat. 7:15. 

Mofon’aina:
Teo amin'ny asa niantsoan'Andriamanitra anay mivady (...) dia ny Tompo no navelanay hanapaka sy hanao ny drafitry ny asa ho anay, ary notanterahiny tamin'ny alalan'ireto mpanompo ny drafiny. Matetika izahay no nampitandremana taurin' ireo lalan-diso, naseho taminay kosa ny lala-marina sy azo antoka izay voafaritra mazava ao amin'ireo asa rehetra mifandraika amin'ny asa fanompoana nasaina nataonay. Amin' izany no hahafahako milaza marimarina fa fantatro ny famitahan'i Satana, ary fantatro ny fomba fitondran'Andriamanitra sy ny fiasany. Tsy maintsy nampiasa ny herin-tsaina rehetra izahay, niankina tamin'ny fahendrena avy amin'Andriamanitra teo amin'ny fanadihadiana natao, tahaka izany koa raha nandinika ireo hevitra nozahan-toetra ka nandalinana izany teo anatrehan'ny fahazavan'ny tenin'Andriamanitra sy ireo izay nasehon'Andriamanitra tamiko tamin'ny alalan'ny Teniny sy ny fanambarana maro, mba tsy ho voafitaka na hamitaka ny hafa. Napetrakay hofehezin'Andriamanitra ny sitrapo sy ny lalanay, ary nitalaho fatratra ny fanampiany izahay; tsy zava-poana tsy akory ny nanaovanay izany. Taona maro niainana fanandramana mangidy teo amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra no nanjary nahafantarako ireo fihetsehana sandoka samihafa. Imbetsaka aho no nirahina ho any amin'ny toerana samy hafa hitondra izao hafatra izao: "Manana asa ho anao ao amin'io toerana io Aho; momba anao Aho". Rehefa tonga ny fotoana dia nampitondrain'ny Tompo hafatra ho an' ireo nahita fahitana sy nofy sandoka aho, ary tamin'ny herin'i Kristy no nitondrako ny fanambarako araka izay nasain'ny Tompo natao. (...)

 Nandritra ny dimy amby efapolo taona no nihaonako tamin'ny olona nilaza fa naharay hafatra hananarana ny hafa avy amin'Andriamanitra. Niroborobo tokoa izany fitompoan-teny fantatra amin'ny fivavahana izany hatramin'ny taona 1844. Niasa tamin'ny fomba maro i Satana mba hampanjaka ny sandoka. Nisy fotoana izay nahatanterahan'ireo toe-javatra nambaran'ny fahitana sandoka, kanefa niseho ny maha-diso tanteraka izay mahakasika ny fotoana hiverenan'i Kristy sy ny fifaranan'ny androm-pahasoavana ary ireo toe-javatra ho avy. (...)

 "Koa tandremo ny fihainonareo" - Lio. 8:18, izany no fampitandremana nataon'i Kristy (...) Mandiniha tsara, "Fantaro ny zavatra rehetra" - 1 Tes. 5:21. (...) Izany no toromarika avy amin'Andriamanitra, moa ve isika hanaraka izany? — Ma, t. 155 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal