Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho amin'ny hoavy

Daty
Alakamisy 12 December 2024

 «Mitadiava an'i Jehôvah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehôvah.- Zef. 2:3. 

Mofon’aina:
Tsy misy mampalahelo toy ny mahita ireo izay novidin'ny   ran'i Kristy, nomena talenta hahafahany manome voninahitra an' Andriamanitra, manao ho fihomehezana ny hafatry ny fahasoavana nalefa ho azy ireo ao amin'ny filazantsara, manda ny maha-Andriamanitra an' i Kristy, ary dia mitoky amin'ny fiheverany voafetra sy amin'ny hevitra tsy misy fototra ijoroany. Rehefa tsapain'ny fahoriana, ary rehefa mifanatrika amin'ny fahafatesana, dia manjavona tahaka ny zavona rehefa tonga ny masoandro ireo lainga izay nokolokoloina ireo.

Mafy ery ny mijoro manoloana ny vatana mangatsiaky ny olona nanda ny antson'ny famindrampon'Andriamanitra! Mafy ery ny miteny: Fiainana very ity! Olona iray afaka nahatratra tanjona ambony indrindra ity, nefa dia nomeny hofehezin'i Satana ny fiainany, lasa voababon'ny filozofian'olombelona, ka nanj ary kilalaon'ilay ratsy! Vatofantsika ho an' ny fanahy ny fanantenana kristianina, sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin'ny efitra lamba; tany no nidiran'i Jesôsy ho Mpialoha antsika. Manana asa manokana hatao isika hiomanana ho amin'ilay trangan-javatra lehibe manoloana antsika. 

Tokony hitady an'Andriamanitra amin'ny fo kokoa ny tanora. Avy ny tafiotra, ary tokony ho vonona amin'ny fahatezerany isika amin'ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ny Tompo Jesôsy Kristy. Hitsangana hampihorohoro ny tany ny Tompo. Hahita fahoriana maneran-tany isika. Sambo an'arivony no ho voatsipy any amin'ny ranomasina lalina. Sambo mpiady maro no ho rendrika ary aina an-tapitrisany no hatao sorona. Hisy afo hirongatra tsy ampoizina, ary tsy hahavono azy ny fiezahana ataon'ny olona. Lapa betsaka no hanjavon'ny hasiaky ny afo. Hihamatetika ny lozan-dalam-by; fisavoritahana sy fifandonana ary fahafatesana tsy misy fampitandremana no hitranga eny amin'ny lalam-ben'ny fifamoivoizana. Akaiky ny farany, hikatona ny androm-pahasoavana. 0, andeha hitady an'i Jehôvah dieny mbola hita Izy, hiantso Azy dieny mbola akaiky Izy! Hoy ny mpaminany: «Mitadiava an'i Jehôvah hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehôvah.» - Ma, t. 161

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal