Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana fikororohana

Daty
Alahady 15 December 2024

"Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalana dia hihamangatsiaka ny fitiavan 'ny maro." - Mat. 24:12.

Mofon’aina:
Rnaha vantany vao voaisy tombokase eo amin'ny handriny y vahoakan'Andriamanitra — tsy tombokase na marika izay mety ho hitan'ny maso tsy akory izany, fa fiorenana amin'ny fahamarinana, amin'ny saina sy amin'ny fanahy, ka dia tsy voahozongozona izy ireo —raha vantany vao voaisy tombokase sy voaomana ho amin'ny fikororohana ny vahoakan'Andriamanitra, dia ho tonga izany. Sady efa nanomboka rahateo izany. Efa tonga ankehitriny ny fitsaran'Andriamanitra, mba hampitandrina antsika, mba hahafantarantsika ny zavatra hiseho tsy ho ela. 

Ho tonga faingana ny fotoana izay hisian'ny savorovoro sy fahaverezan-kevitra lehibe. Miseho ho toy ny anjelin'ny mazava i Satana, mamitaka ireo olom-boafidy raha azony atao. Hisy tompo sy andriamanitra maro. Hitsoka avokoa izao karazana rivo-pampianarana rehetra izao. ( ...) 

 Hasaina horaisintsika ny mariky ny bibidia. Ireo izay nilefitra tsikelikely tamin'ireo fitakian'ny fiainan' izao tontolo izao ka nifanaraka tamin'ny fanaon'izao tontolo izao, dia hahita fa tsy zavatra sarotra aminy ny hilefitra amin'ireo fahefana izay misy, toy izay ny hamela ny tenany hesoina, hitenenan-dratsy, sy horahonana na hogadraina, ary hovonoina. Ny momba ny didin'Andriamanitra sy ny didin'olombelona no tena anton'ny fifanandrinana. (...) Ny tena toe-panahy araka an'Andriamanitra marina dia hiavaka mazava amin'ny fiseho ivelany sy ny forongony. (...) Ny akofa dia hoentin'ny rivotra tahaka ny rahona, eny, na dia eo amin'ny toerana tsy ahitantsika afa-tsy voam-bary aza. Izay rehetra nianina tamin'ny toe-panahy tsara araka ny fiseho ety ivelany fotsiny, fa tsy nitafy ny fahamarinan'i Kristy dia hiseho amin'ny henatry ny fitanj ah any.

 Kanefa hisy ireo izay handray ny fahamarinana, ka ireo no haka ny toerana banga navelan' ireo izay nitakemotra ka niala tamin'ny fahamarinana. (...)

Handray ny toerany ireo izay manana ny fitsipi-piainana kristianina marina, ka hanjary loham-pianakaviana mahatoky sy mendri-pitokiana, izay miaro ny tenin ' Andriamanitra sy maneho azy araka ny tena heviny marina sy amin'ny fahatsorany. Hiasa Andriamanitra ka hisaraka amin'ireo olona marina sy mahatoky ireo mpikomy (...). Tsy hihena tsy akory ny isan'ireo mpiandany amin'ny Tompo. Hameno ny toeran'ireo tafintohina sy mihemotra ny olona marina sy mijoro tsara. — Ma, t. 200 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal