Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy tahaka ny nandresen'i Kristy

Daty
Alarobia 17 January 2024

Jao. 16:33. « Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. »

Famelezana mafimafy kokoa noho ny mbola hataony amintsika no nataon’i Satana tamin’i Kristy. Fatiantoka lehibe no efa teo anatrehany na i Kristy na izy no ho mpandresy. Raha nanohitra ny fakam-panahy mahery vaika indrindra nalefany i Kristy ary tsy vitan’i Satana ny nitarika Azy hanota, dia fantany fa tsy maintsy ho very ny heriny ary hofaizina amin’ny fandravana maharitra mandrakizay izy amin’ny farany. Noho izany, dia niasa mafy tamin- kery lehibe i Satana mba hitarihana an’i Kristy hanao fahadisoana, ka dia handresy Azy izy (...) Tsy halaim- panahy amin’ny fomba feno fikirizana sy tsy mifaditrovana tahaka izay natao tamin’ny Mpamonjintsika ianao. Teo amin’ny lalany mandrakariva i Satana.

Moa ve ny olona hifikitra amin’ny herin’Andriamanitra, ka hanohitra an’i Satana amin’ny finiavana sy ny faharetana, tahaka ny nanomezan’i Kristy ohatra ho azy teo amin’ny tolona nataony tamin’ny fahavalo tany an’efitry ny fakam-panahy? Tsy afaka hamonjy ny olona amin’ny herin’ny hafetsen’i Satana Andriamanitra raha tsy sitrapon’ilay olona izany. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny hery maha-olombelona azy izy ary ampian’ny herin’i Kristy avy amin’Andriamanitra mba hahazoana manohitra sy mandresy na ahoana na ahoana. Raha fehezina, dia tsy maintsy mandresy tahaka ny nandresen’i Kristy ny olona. Amin’ny alalan’ilay fandresena, izay tombontsoa ho azy ny nahazo izany tamin’ny anarana mahagagan’i Jesôsy, dia afaka ny ho tonga mpandovan’Andriamanitra izy, ary mpiara-mandova amin’i Jesôsy Kristy. Tsy ho tanteraka izany raha i Kristy irery no nitolona teo amin’ny fahazoana ny fandresena. Tsy maintsy manao ny anjarany ny olona, tsy maintsy mpandresy noho ny Aminy amin’ny alalan’ny hery sy ny fahasoavana nomen’i Kristy azy izy. Tsy maintsy miara-miasa amin’i Kristy ny olona eo amin’ny asa mafy atao mba hahazoana ny fandresena, ka amin’izany no hahatonga azy ho mpiombona anjara amin’ny voninahitr’i Kristy.

Nandresy ny Mpamonjy mba hampisehoana amin’ny olona ny fomba mety hahazoany izany fandresena izany koa. Notoherin’i Kristy tamin’ny Tenin’Andriamanitra avokoa ny fakam-panahin’i Satana rehetra. Tamin’ny fitokiany tamin’ireo teny fikasan’Andriamanitra no nandraisany hery hankatô ny didin’Andriamanitra, ka dia tsy nahita tombony ny mpaka fanahy. – SDG, t. 156.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal