Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hovaliana ny vavaka ataontsika.

Daty
Alarobia 08 January 2025

"Fa amin'izany dia hirarvoravo amin'ny Tsitoha hianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. Raha mifona aminy hianao, dia hihaino anao Izy; ary ny voadinao dia hefainao." - Joba 22:26,27.

Mofon’aina:
Hoy i Kristy rehefa nivavaka ho an'ny mpianany: "Ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny" – Jao. 17:19,20. Nampidirin'i Kristy tao anatin'ny vavaka nataony ireo rehetra izay hihaino ny tenin'ny fiainana sy famonjena avy amin'ireo mpitondra hafatra nirahiny. (…)

Takatsika amin'ny alalan'ny finoana ve fa malalan'Andriamanitra Ray isika, toy ny itiavany ny Zanany Lahitokana? Raha takatsika izany ka miasa isika ho setrin'izany, dia haidina ao amin'ny fanahintsika mahantra sy mangetaheta ary karankaina ny fahasoavan'i Kristy, dia ny diloilo volamena avy any an-danitra. Tsy hiovaova na hitsilopilopy intsony ny fahazavantsika, fa hamirapiratra mazava ao anatin'ny haizina ara-pitondran-tena, izay toa lambam-paty manarona izao tontolo izao. Tokony ho rentsika amin'ny alalan'ny finoana ny fanelanelanana amin-kery izay ataon'i Kristy tsy tapaka ho antsika hoe: "Ray ô tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony .tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao." Jao. 17:24 ( ...)

Mandrisika antsika hanao fangatahana tsy tapaka ny Mpanavotra antsika. Manome toky azo antoka ho antsika Izy fa tsy ho foana ny fivavahantsika. Hoy Izy: "Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana." – Lio. 11:9.

Avy eo dia ataony sary an'ohatra ny ankizy iray mangataka mofo amin-drainy, ka asehony ny fihoaran'ny fanirian'Andriamanitra hanome izay angatahintsika raha miolotra amin'ny fanirian'ny ray aman-dreny eto an-tany hanome izay angatahin-janany. (...)

Azontsika hatonina izao ankehitriny izao ny Mpamonjintsika sarobidy. Ao Aminy no iorenan'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay. Izy no mitondra ny fangatahantsika amin' Andriamanitra Ray sy mampita amin-tsika ny fitahiana nangatahintsika. —ST, 18 Jona 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal