Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Herim-panahy amin'ny alalan'ny vavaka

Daty
Alatsinainy 13 January 2025

 "Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. " - Mar. 1:35.

Mofon’aina:
Tsy nahitana tsy fahombiazana na lesoka ny asa fanompoan' i Jesôsy   satria ny fiainany dia fiainana mahatoky mandrakariva, tohanan'ny fifandraisana tsy tapaka amin' Andriamanitra. Fantatr'i Kristy fa tsy maintsy hatanjahina amin'ny vavaka ny maha-olombelona Azy, eo anatrehan'ny fakam-panahy mamely isan'andro, sy ireo mpitondra fivavahana tsy mitsahatra manohitra Azy. Tsy maintsy miray amin'Andriamanitra Izy, Izay andraisany hery sy faharetana ary fahatanjahana, mba ho tonga fitahiana ho an'ny vahoaka.

Nankamamian'ny Mpamonjy ny nitokana tany an-tendrombohitra mba hifandray amin'ny Rainy. Niasa taurin-kafanam-po nandritra ny andro Izy mba hamonjy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy amin'ny fandringanana. Nanasitrana ny marary Izy, nampionona ny ory, nanangana ny maty, ary nitondra fanantenana sy fifaliana ho an'ny kivy. Rehefa vita ny asany mandritra ny andro dia miala lavitra ny tabataban'ny tanàna Izy, isan-kariva, ary mandohalika mivavaka amin'ny Rainy. Matetika no nivavaka nandritra ny alina manontolo Izy, kanefa taorian'izany dia nahazo hery sy velombelona, vonona hiatrika ny adidy sy ny fitsapana.

Iharan'ny fakam-panahy sy ny famelezan'i Satana ve ny mpanompon'i Kristy? Izany koa no nanjo Ilay tsy nahalala ota. Nitodika tany amin'ny Rainy Izy tao anatin'ny fotoan-tsarotra. (...) Nivavaka ho an'ny mpianany sy ho an'ny Tenany Izy; toy izany no nampitoviany ny Tenany tamin'ny olombelona. Olona mahery mivavaka Izy. (...)

 Izay miandry an'Andriamanitra amim-panetren-tena sy miandrandra fatratra ny fitarihany sy ny fahasoavany no mpampianatra sy mpitoriteny mahomby indrindra. Miambena, mivavaha, miasà – izany no teny baikon'ny Kristianina. Fiainam-bavaka tsy mitsahatra ny fiainan'ny Kristianina marina. Fantany fa tsy ampy hiatrehana ny fitsapana sy ny ady rahampitso ny fahazavana sy ny hery anio. Ovaovan'i Satana mandrakariva ny fakam-panahy alefany. Hapetraka amin'ny toe-javatra samy hafa isika isan'andro; ary ao anatin'ireo fotoan-tsarotra ho avy Izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay, dia ho voahodidin'ny loza vaovao isika, ary fakam-panahy tsy ampoizintsika no hamelezana antsika. Ny hery sy ny fahasoavana avy any an-danitra ihany no ahazoantsika manantena ny ho afaka hiatrika ny fakam-panahy sy hanatanteraka ny adidy manoloana antsika. — GW, tt. 255-258. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal