Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha fahendrena sy hery

Daty
Talata 14 January 2025

 "Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian 'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?" — Sal. 42:1,2.

Mofon’aina:
Izay voahosotry ny hery avy any ambony tamin'ny Pentekosta dia tsy hoe afaka tamin'ny fakam-panahy sy ny fitsapana noho izany tsy akory. Raha nijoro ho vavolombelon'ny marina sy ny fahamarinana rehetra izy, dia notafihin'ny fahavalon'ny fahamarinana izay nitady ny handroba ny fanandramana kristianina tao aminy. Voatery niezaka tamin'ny hery rehetra nomen'Andriamanitra azy izy hanatratra ny ohatry ny fahafenoan'ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'i Kristy Jesosy. Nivavaka isan'andro izy nangataka fanampim-pahasoavana, mba hahazoany miakatra ambony kokoa hanatona hatrany ny fahatanterahana. Na dia osa indrindra aza izy, teo ambanin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia nampiasa ny finoany an'Andriamanitra, ka nianatra ny hanatsara ny hery nankinina taminy sy hanjary nohamasinina, nohatsaraina ary nasandratra. Rehefa nilefitra tamim-panetren-tena teo amin'ny herin'ny Fanahy Masina miasa mangina izy, dia nandray ny fahafenoan'Andriamanitra Ray sy novolavolaina hampitovina Aminy.

Tsy nanova ny teny fikasana nataon' i Kristy ny amin'ny andefasany ny Fanahy Masina ho solontenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy famerana avy amin'Andriamanitra akory no tsy mampikoriana ankehitriny ny haren'ny fahasoavany mankety an-tany ho an'ny olona. Raha tsy hita araka izay tokony ho izy ny fahatanterahan'ny teny fikasana, dia satria tsy ankasitrahana araka izay tokony ho izy. Raha manam-paniriana izany ny rehetra dia mety ho feno ny Fanahy. Na aiza na aiza nadraisana ny Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina firy, dia ahitana haintany ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana sy fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana ifantohan'ny saina amin-java-madinika tsy misy antony, dia banga ny herin'Andriamanitra izay ilaina ho fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra hanaraka azy na dia natolotra tamin'ny fahafenoany tsy voafetra aza izany. (...)

Tokony hivory hangataka ny fanampiana manokana, sy ny fahendrena avy any an-danitra ny fikambanan'ny Kristianina, mba hahafantarany izay drafitra hatao sy hanatanterahany izany amim-pahendrena. Tokony hivavaka amin'ny fomba manokana izy hanaovan'Andriamanitra batisa amin'ny fatra betsaka amin'ny Fanahiny ireo ambasadaoro nofidiny ho any amin'ny sahan'ny misiona. (...) — VM, tt. 45,46.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (26)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal