Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha fahendrena sy hery

Daty
Talata 14 January 2025

 "Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian 'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?" — Sal. 42:1,2.

Mofon’aina:
Izay voahosotry ny hery avy any ambony tamin'ny Pentekosta dia tsy hoe afaka tamin'ny fakam-panahy sy ny fitsapana noho izany tsy akory. Raha nijoro ho vavolombelon'ny marina sy ny fahamarinana rehetra izy, dia notafihin'ny fahavalon'ny fahamarinana izay nitady ny handroba ny fanandramana kristianina tao aminy. Voatery niezaka tamin'ny hery rehetra nomen'Andriamanitra azy izy hanatratra ny ohatry ny fahafenoan'ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'i Kristy Jesosy. Nivavaka isan'andro izy nangataka fanampim-pahasoavana, mba hahazoany miakatra ambony kokoa hanatona hatrany ny fahatanterahana. Na dia osa indrindra aza izy, teo ambanin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia nampiasa ny finoany an'Andriamanitra, ka nianatra ny hanatsara ny hery nankinina taminy sy hanjary nohamasinina, nohatsaraina ary nasandratra. Rehefa nilefitra tamim-panetren-tena teo amin'ny herin'ny Fanahy Masina miasa mangina izy, dia nandray ny fahafenoan'Andriamanitra Ray sy novolavolaina hampitovina Aminy.

Tsy nanova ny teny fikasana nataon' i Kristy ny amin'ny andefasany ny Fanahy Masina ho solontenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy famerana avy amin'Andriamanitra akory no tsy mampikoriana ankehitriny ny haren'ny fahasoavany mankety an-tany ho an'ny olona. Raha tsy hita araka izay tokony ho izy ny fahatanterahan'ny teny fikasana, dia satria tsy ankasitrahana araka izay tokony ho izy. Raha manam-paniriana izany ny rehetra dia mety ho feno ny Fanahy. Na aiza na aiza nadraisana ny Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina firy, dia ahitana haintany ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana sy fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana ifantohan'ny saina amin-java-madinika tsy misy antony, dia banga ny herin'Andriamanitra izay ilaina ho fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra hanaraka azy na dia natolotra tamin'ny fahafenoany tsy voafetra aza izany. (...)

Tokony hivory hangataka ny fanampiana manokana, sy ny fahendrena avy any an-danitra ny fikambanan'ny Kristianina, mba hahafantarany izay drafitra hatao sy hanatanterahany izany amim-pahendrena. Tokony hivavaka amin'ny fomba manokana izy hanaovan'Andriamanitra batisa amin'ny fatra betsaka amin'ny Fanahiny ireo ambasadaoro nofidiny ho any amin'ny sahan'ny misiona. (...) — VM, tt. 45,46.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal