Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manampy ny anjely

Daty
Alatsinainy 20 January 2025

"Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy." - Gal. 6:8. 

Mofon’aina:
Ry tanora lahy sy vavy, ampamoahina eo anatrehan'Andriamanitra ianareo ny amin'ny fahazavana nomeny anareo. (...) Efa naseho mazava tsara ireo loza mitatao aminao, efa nanarina sy nambenana tamin'ny lafiny rehetra ianao, nofefena taurin' ireo fampitandremana. Tao an-tranon'Andriamanitra no efa nandrenesanao ny fahamarinana miezinezina, sy mahakasika ny fo nasehon' ireo mpanompon'Andriamanitra tamin'ny fanehoan'ny Fanahy. (...) Inona no akon'izy ireo teo amin'ny toetranao? Horaisina ho tompon'andraikitra ianao amin'ireo fiangaviana sy fampitandremana rehetra ireo. Hitsangana eo amin'ny fitsarana ireo hanameloka izay manohy manao fiainana foana tsy misy vokany sy tsy matotra ary feno fireharehana. (...)

Ianao no namolavola ho an'ny tenanao ny hoavinao mandrakizay. Manana hery miasa mangina ho amin'ny tsara na ny ratsy eo amin'ny fisainan'ny hafa sy ny toetrany avokoa isika rehetra. Ary voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra ny hery miasa mangina avy aminao. Manatrika anao ny anjely ary mandray an-tsoratra ny teny sy ny asa ataonao. Moa ve ianao mahatsapa ho miraviravy tanana sy mila hery avy amin'Andriamanitra rehefa mifoha amin'ny maraina? Moa ve ianao mampahafantatra amim-panetren-tena sy amin'ny fo ny fanirianao amin'ilay Rainao any an-danitra? Raha izany dia mandray an-tsoratra ny vavakao ny anjely, ary raha molotra marina no manonona ireny vavaka ireny dia ho eo anilanao ny anjely mpiambina anao raha mitady hanao ratsy tsy nahy ianao na hampiasa hery miasa mangina hitaona ny hafa hanao ratsy. Amin'izany no andrisihan'ny anjely mpiambina anao hifidy lalana tsara kokoa. Izy no hifidy ny teny holazainao sy hitarika ny asa ataonao. (...)

Voninahitra sy fiainana mandrakizay no valisoa omen'ny Mpanavotra antsika izay mankatò Azy. Nomeny fahafahana mamolavola fahatanterahan-toetra kristianina amin'ny Anarany izy ireo, ary koa mandresy tahaka ny nandreseny ho azy ireo. Nomeny ho ohatra ho azy ireo ny fiainany, ka nasehony azy ny fomba ahafahany mandresy. "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; cit.)) fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin 'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 6:23. — TFC, b. 3, tt. 363-365. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal