Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho amin'ny fivoriana masina

Daty
Talata 21 January 2025

 "Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. (...) Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. " - Jak. 4:8-10. 

Mofon’aina:
Toy izao ny asa azon'ny fianakaviana atao mialoha ny   handehanany any amin'ny fivoriantsika masina: Aza atao laharam-pahamehana ny fikarakarana sakafo sy ny fiakanjoana, ary aoka hatomboka ao an-tokantrano ny fandinihan-tena lalina. Mivavaha intelo isan'andro, ary aoka ho be fikirizana tahaka an'i Jakôba. Ao an-tokantrano no toerana ahitana an'i Jesôsy; ento miaraka aminao any amin'ny fivoriana Izy, dia ho sarobidy tokoa ireo ora holaninao any. (...)

Miasà ao an-tokantrano, ho an'ny fanahinao, ho an'i Kristy, ary ho an'ny hafa. Mivavaha mihoatra noho ny fanaonao hatrizay. Aoka ho torotoro fo eo anatrehan'Andriamanitra. Alamino tsara ny tranonao. Omany ho amin'ilay fotoana ny zanakao. Ampianaro azy ireo fa tsy ny akanjo tsara tarehy no zava-dehibe raha hiseho eo anatrehan'Andriamanitra fa ny madio tanana sy ny mahitsy fo. Esory ny sakana rehetra manelingelina ny lalan'izy ireo, alamino ny fifandirana mety misy eo amin'izy ireo, na eo aminao sy izy ireo. Manasa ny Tompo ho ao an-tokantranonao ny fanaovanao izany, ary hiaraka aminao ny anjely eny am-pandehananao ho any am-pivoriana, ka handroaka ny haizina sy ny anjely ratsy ny fahazavany sy ny fanatrehany.

 Oh, firifiry no very noho ny fanaovana tsirambina izany asa izany! Mety hahafa-po, hampientanentana sy hamelombelona anao ny toriteny, saingy tsy ho tsapa ao am-po ny herin'Andriamanitra manova sy manavao, ary tsy hisy asany lalina sy maharitra araka ny tokony izy. Aoka hohomboana ny avonavona, ary aoka hotafian'ny fanahy ny akanjom-pahamarinana sarobidin'i Kristy, dia hisitraka amim-pifaliana tokoa ilay fivoriana ianao. Ho tahaka ny vavahadin'ny lanitra ho anao izany.

Tokony hitohy hatrany am-piangonana io asa fanetren-tena sy fandinihan-tena io, mba ho voaisotra mialoha ny hisehoantsika manoloana an'Andriamanitra ny adilahy sy ny fisaraham-bazana rehetra. (...) Ataovy amim-pahamatorana izany asa izany (...) Raha entinao miaraka aminao ao am-pivoriana mantsy ny fisalasalanao sy ny fimonomononanao ary ny adiadinao, dia hampiditra anjely ratsy ao ianao, ary hitondra fahamaizinana na aiza na aiza alehanao. — TFC, b. 5, tt. 164,165. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal