Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho amin'ny fivoriana masina

Daty
Talata 21 January 2025

 "Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. (...) Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. " - Jak. 4:8-10. 

Mofon’aina:
Toy izao ny asa azon'ny fianakaviana atao mialoha ny   handehanany any amin'ny fivoriantsika masina: Aza atao laharam-pahamehana ny fikarakarana sakafo sy ny fiakanjoana, ary aoka hatomboka ao an-tokantrano ny fandinihan-tena lalina. Mivavaha intelo isan'andro, ary aoka ho be fikirizana tahaka an'i Jakôba. Ao an-tokantrano no toerana ahitana an'i Jesôsy; ento miaraka aminao any amin'ny fivoriana Izy, dia ho sarobidy tokoa ireo ora holaninao any. (...)

Miasà ao an-tokantrano, ho an'ny fanahinao, ho an'i Kristy, ary ho an'ny hafa. Mivavaha mihoatra noho ny fanaonao hatrizay. Aoka ho torotoro fo eo anatrehan'Andriamanitra. Alamino tsara ny tranonao. Omany ho amin'ilay fotoana ny zanakao. Ampianaro azy ireo fa tsy ny akanjo tsara tarehy no zava-dehibe raha hiseho eo anatrehan'Andriamanitra fa ny madio tanana sy ny mahitsy fo. Esory ny sakana rehetra manelingelina ny lalan'izy ireo, alamino ny fifandirana mety misy eo amin'izy ireo, na eo aminao sy izy ireo. Manasa ny Tompo ho ao an-tokantranonao ny fanaovanao izany, ary hiaraka aminao ny anjely eny am-pandehananao ho any am-pivoriana, ka handroaka ny haizina sy ny anjely ratsy ny fahazavany sy ny fanatrehany.

 Oh, firifiry no very noho ny fanaovana tsirambina izany asa izany! Mety hahafa-po, hampientanentana sy hamelombelona anao ny toriteny, saingy tsy ho tsapa ao am-po ny herin'Andriamanitra manova sy manavao, ary tsy hisy asany lalina sy maharitra araka ny tokony izy. Aoka hohomboana ny avonavona, ary aoka hotafian'ny fanahy ny akanjom-pahamarinana sarobidin'i Kristy, dia hisitraka amim-pifaliana tokoa ilay fivoriana ianao. Ho tahaka ny vavahadin'ny lanitra ho anao izany.

Tokony hitohy hatrany am-piangonana io asa fanetren-tena sy fandinihan-tena io, mba ho voaisotra mialoha ny hisehoantsika manoloana an'Andriamanitra ny adilahy sy ny fisaraham-bazana rehetra. (...) Ataovy amim-pahamatorana izany asa izany (...) Raha entinao miaraka aminao ao am-pivoriana mantsy ny fisalasalanao sy ny fimonomononanao ary ny adiadinao, dia hampiditra anjely ratsy ao ianao, ary hitondra fahamaizinana na aiza na aiza alehanao. — TFC, b. 5, tt. 164,165. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal