Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitaovam-piadiana mahomby

Daty
Alatsinainy 27 January 2025

"Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. (...)" - Jak. 4:7,8a.

Mofon’aina:
Am-perinasa mandrakariva i Satana; saingy vitsy no mahalala ny zavatra ataony sy ny fahaizany. Mila mivonona ny vahoakan'Andriamanitra mba hahatohitra ilay fahavalo mpamitaka. Izany fanoherana izany no atahoran'i Satana. (...)

Noho ny hery avy any ambony, ny malemy indrindra amin'ny olo-masina dia mahery indrindra ho azy sy ny anjeliny rehetra, ary raha ampandalovina amin'ny fitsapana izy (ilay olo-masina malemy) dia ho hita tokoa ny fahambonian'ny heriny. Vokatr'izany dia tsy re tsaika ny famindran'i Satana sy ny hetsika ataony, ary afeniny ny famelezany. (...)

Miomana ho amin'ny ady farany atao amin'ny fiangonana ilay fahavalo. Miafina tsy ho hita izy, hany ka betsaka no zara raha mino ny fisiany, mainka moa ny asany mampitolagaga sy ny heriny. (...) Hirehareha ho mahavita tena ny olona, ka hanaraka ny fironan'ny fony ratsy indrindra eo ambany fitaoman'i Satana mamabo sy mamitaka, kanefa mbola mihevitra fa Andriamanitra no mitarika azy. Raha sokafana hahita ny Tompo arahiny ny mason'izy ireo, dia ho fantany fa tsy Andriamanitra no tompoiny fa ilay fahavalon'ny fahamarinana rehetra. Ho hitany fa ny fahavitan-tena nireharehany no anisan'ny rojo vy mavesatra indrindra amatoran'i Satana ny sainy tsy mahay mandanjalanja.

Babon'i Satana ny olombelona ka mora mirona hanaraka ny tolo-tsainy sy hanatanteraka ny baikony. Tsy manana hery hanoherana ny ratsy amim-pahombiazana izy ireo. Tsy azony atao ny mampidi-doza ny tenany miatrika io fahavalo tsy mifaditrovana io raha tsy mitoetra ao anatiny amin'ny alalan'ny finoana velona i Kristy, ka mifehy ny faniriany sy manatanjaka azy amin'ny hery avy any ambony. Tsinontsinona  avokoa ny fiarovan-tena hafa rehetra ankoatra izany. Amin'ny alalan'i Kristy irery ihany no ahafahana mametra ny herin'i Satana. Fahamarinana miezinezina tokony ho takatry ny rehetra izany. Tsy mitsahatra miasa i Satana, mizahazaha sy mivezivezy eny rehetra eny, mitady izay harapany. Kanefa na manao ezaka lehibe toy inona aza izy dia hampitakemotra azy ny vavaka mafana atao amim-pinoana. Koa raiso ny "ampingan’ny finoana", "hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy." — TFC, b. 5, tt. 293,294. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal