Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha mafy hanana toetra kristianina

Daty
Alarobia 29 January 2025

 "Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." - Efes. 4:13.

Mofon’aina:
Tsy hahita ny Tompontsika amim-piadanana velively isika raha   tsy madio tsy misy pentina ny fanahintsika. (...) Tsy maintsy alefitra eo ambanin'ny sitrapon'i Kristy ny fisainana tsirairay. Araka ny voalazan'ny apôstôly dia tsy maintsy "mahatratra mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy" isika. Tsy ho vitantsika mihitsy izany raha tsy misy ezaka mafy ataontsika. Tsy maintsy mitolona isan'andro amin'ny faharatsiana eny ivelany sy ny fahotana ao anaty isika raha tiantsika ny hanana ny fahatanterahan-toetra kristianina.

Izay manatanteraka izany asa izany dia hahita fa be tokoa no mila ahitsy eo aminy, ary hanokana fotoana betsaka hivavahana izy, sy hampitahana ny tenany amin'ilay fenitra lehiben'Andriamanitra, dia ny lalàny, hany ka tsy hanam-potoana hiresadresahana na hifosana ny hafa noho ny fahadisoany, na koa hitsikerana ny toetran'ny hafa. Tokony hahatonga antsika hanetry tena sy handini-tena lalina ny fahatsapantsika ny tsy fahatanterahantsika, andrao verintsika ny fiainana mandrakizay (1 Kôr. 13:5). (...)

Raha tsy ialan'ireo mitonona ho vahoakan'Andriamanitra ny toetrany feno tsy firaihana sy ny hevi-disony momba ny atao hoe Kristianina, dia maro amin'ireo izay mihevitra ny tenany fa eo amin'ny lalana mankany an-danitra no ho hita fa eo amin'ny lalana mankany amin'ny fahaverezana. Maro amin'ireo milaza tena ho mpivavaka, izay miavonavona am-po, no hangovitra tahaka ny ravina andalovan'ny tafiotra, raha sokafana ny masony hahita ny atao hoe fiainana ara-panahy marina. Raha mba azo fohazina mantsy ireo mandrimandry manana aretina ireo, ka hahita ny fifanoheran'ny finoana tanany amin'ny toetra asehony andavanandro!

Tsy maintsy manana fifandraisana velona amin'i Kristy isika raha te ho Kristianina velona. (...) Rehefa voamasina ny fihetseham-pontsika dia manjary ataontsika laharam-pahamehana ambonin'ny zavatra hafa rehetra ny adidintsika amin'Andriamanitra. Mila mibanjina mandrakariva an' Andriamanitra amin'ny mason'ny finoana isika, raha tiantsika ny tsy hiovaova fa hitombo hatrany amin'ny fitiavantsika Azy, sy hahafantatra mazava ny toetrany. I Kristy no ain'ny fanahy. Tsy maintsy mitoetra ao Aminy isika ary Izy ao amintsika, raha tsy izany dia ho sampana malazo. — RH, 30 Mey 1882. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (26)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal