Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mivavaha amim-panetren-tena.

Daty
Alakamisy 30 January 2025

"Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina." Rôm. 8:26.

Mofon’aina:
Tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny vavaka raha tsy atao amim- panetren-tena sy amin'ny fo torotoro amin'ny anaran'i Kristy. Mahalala ireo izay mivavaka amin'ny fo manetry tena Ilay mpihaino sy mpamaly ny vavaka. Tsy mangataka na inona na inona afa-tsy amin'ny anaran'i Kristy ny tena Kristianina marina, ary tsy manantena na inona na inona raha tsy noho ny fanelanelanana ataony. I Kristy no tian'izy ireo homem-boninahitra amin'ny fitondrana ny vavaka ataony ho eo anatrehan'ny Ray, ary faniriany ny handray fitahiana avy amin'Andriamanitra amin'ny alalan ' i Kristy.

 Manana anjara asa lehibe ny Fanahy Masina mba hahatonga ny vavaka hankasitrahan'Andriamanitra. Manalefaka ny fo Izy, manazava ny saina ka mahatonga azy hahay hamantatra ny tena ilainy; velominy ny faniriantsika ka manjary noana sy mangetaheta ny fahamarinana isika, ary manao fanelanelanana ho an'ny mpivavaka amin'ny fo marina Izy.

 Tsy maintsy manatona an' Andriamanitra ny olombelona ka hahatsapa fa mila fanampiana izy, izay Andriamanitra irery no afaka manome azy. (...)

Ny vavaka amim-pinoana no fanalahidy mamoha ny trano firaketan'ny lanitra. Aoka hotsaroantsika fa rehefa manankina ny fanahintsika amin'Andriamanitra isika, dia raisiny ho andraikitra ny mihaino sy mamaly ny fivavahantsika. Manasa antsika Izy hanatona Azy, ary izay tsara sy sarobidy indrindra no omeny antsika — dia izay tena ilaintsika indrindra. Tiany ny manampy antsika. Aoka isika hatoky ny fahendreny sy ny heriny. Oh, mila manam-pinoana manao ahoana isika! Fiadanana sy fiononana manao ahoana no tokony hananantsika! Sokafy hidiran'ny Fanahin'Andriamanitra ny fonao, dia hiasa amin'ny alalanao sy hitahy ny asanao ny Tompo.

Tsy tokony hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitra ve isika mba hivavaka ho an'ireo izay marefo ny aim-panahiny? Mila manokana fotoana tsy miovaova hivavahana ho azy ireny isika. Tsy tokony hivavaka isan'andro ho an'ireo maty ao anatin'ny helony sy ny fahotany ve isika? Eo am-pitalahoantsika amin'Andriamanitra mba hanorotoroany ireny fo vato ireny, dia ny fontsika no manjary mihamalefaka. Ho hitantsika malaky kokoa ny fahotan'ny tenantsika. – MR, b. 8, t. 197. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal