Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaiky hankatò ny didin'Andriamanitra

Daty
Zoma 07 February 2025

"Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’i Jehôvah dia hataonay sy hekenay." - Eks. 24:7.

Mofon’aina:
Nohamafisina izao ny fanekena araka ny toromarika avy amin' Andriamanitra (jereo ny Eks. 24:4-8).

Teo no nanomezana ny vahoaka ny fepetry ny fanekena. Nanao fanekena masina tamin'Andriamanitra izy ireo, izay tandindon'ny fanekena ifanaovan'Andriamanitra amin'ny mpino an'i Jesôsy Kristy rehetra. Napetraka mazava teo anoloan'ny vahoaka ny fepetra. Tsy navela hanjavozavo amin'ny sain' izy ireo izany. Rehefa nasaina nanapa-kevitra izy ireo, na handà na hanaiky ireo fepetra rehetra nomena, dia niara-nanaiky izy rehetra fa hanatanteraka ny zava-takina rehetra. Efa nanaiky hankatò ny didin'Andriamanitra izy ireo. Nofaritana mazava indray izao ireo foto-kevitry ny lalàna mba hahafantaran'izy ireo izany atao hoe manaiky hankatà ny lalàna izany; dia nanaiky ireo tsipirian'ny lalàna nofaritana manokana izy ireo.

 Raha nankatò ny fitakian'Andriamanitra ny Isiraelita dia ho Kristianina nahafatra-po. Ho nahita fahasambarana izy ireo satria ho nanaraka ny lalan'Andriamanitra fa tsy ny fironan'ny fony ara-nofo. Tsy navelan'i Mosesy ho diso fandray ny tenin'ny Tompo izy ireo. Noraketiny an-tsoratra tao amin'ny boky iray ny teny rehetra voalazan'i Jehôvah mba ho azon'izy ireo jerena any aoriana. Teo an-tendrombohitra no nanoratany izany, araka ny nanononan'i Kristy azy mihitsy.

 Tamin-kerim-po no nanomezan'ny Isiraelita toky fa hankatà ny Tompo izy ireo, rehefa avy novakina teo anatrehan'ny vahoaka ny fanekena. Hoy izy ireo: "Izay rehetra nolazain’i Jehôvah dia hataonay sy hekenay" — Eks. 24:7. Avy eo dia natokana sy nasiana tombokase ho an'i Jehôvah ny vahoaka. Nisy fanatitra natao ho an'ny Tompo. Natopy teo amin'ny alitara ny ampahany tamin'ny ran'ny fanatitra. Midika izany fa nanokana ny tenany — vatana, saina, fanahy —ho an'Andriamanitra ny vahoaka. Nisy ampahany koa natopy tamin'ny olona. Midika izany fa tamin'ny alalan'ny ra nalatsak'i Kristy no nandraisan'Andriamanitra azy ireo tamim-pitiavana ho rakitra soa ho Azy. Toy izany no nanaovan'ny Isiraelita fanekena masina tamin'Andriamanitra. MR, b. I, tt. 114,115. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal