Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò noho ny fahasoavana

Daty
Alahady 09 February 2025

"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin 'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin 'Andriamanitra." — Efes. 2:8.

Mofon’aina:
Irin'Andriamanitra ny hahatraran-tsika ny fahatanterahana izay mety . ho tratrantsika amin'ny alalan'i Kristy. Antsoina isika hisafidy ny tsara, hifandray amin'ireo anjelin'ny lanitra, hanaiky ireo filamatra izay hamerina ao amintsika ny endrik'Andriamanitra. Asehony amintsika, na amin'ny alalan'ny Soratra Masina, na amin'ny alalan'ny boky lehiben'ny zava-boary, ireo foto-kevitry ny fiainana. Anjarantsika kosa ny mamantatra ireny foto-kevitra ireny sy ny hiara-miasa aminy eo amin'ny famerenana ny fahasalamana ho an'ny tena sy ny fanahy amin'ny alalan'ny fankatoavana izany.

 Ilain'ny olona ny mianatra hahalala fa tsy tonga ho azy amin' izao amin'ny fahafenoany ireo fitahian'ny fankatoavana raha tsy mandray ny fahasoavan'i Kristy izy. (...)

Rehefa raisina eo amin'ny fahadiovany sy ny heriny rehetra ny filazantsara, dia zary fanasitranana ireo aretina vokatry ny fahotana izany. Miposaka ny «Masoandron 'ny Fahamarinana, manana fanasitranana eo amin'ny elany» Mal. 3:20. Tsy izay rehetra azon'izao tontolo izao omena no mahasitrana ny fo torotoro, na manolotra fiadanana ho an'ny saina, na manala ny ahiahy, na manafoana ny fijaliana. Ny laza, ny fahaizana mamirapiratra, ny talenta, dia samy tsy manan-kery hamalifaly ny fo malahelo na hamerina ny fiainana lany notobatobaina foana. Ny fivelomana amin'ny fiainan'Andriamanitra ao amin'ny fanahy no hany fanantenana ho an'ny olona.

Ny fitiavana izay aparitak'i Kristy eran'ny tena manontolo dia hery mitondra aina. Ny faritra rehetra fototry ny aina toy ny atidoha sy ny fo ary ny retsi-pandre dia mandray fahasalamana avy amin'izany. (...) Mampitsiry fifaliana ao amin'ny fanahy izay tsy azon-javatra na inona na inona eto an-tany ravana izany — fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina, fifaliana mitondra fahasalamana, fifaliana mitondra aina.

Na dia mihamafy mandritra ny taon-jato nifandimby aza ny fangiazan'ny fahotana ny taranak'olombelona, na dia nasaron'i Satana ny Tenin'Andriamanitra aza ny raho-maintin'ny dika vilana ataony amin'ny alalan'ny lainga sy ny fitaka, ka nahatonganyolonahisalasalanyamin'ny hatsaram-panahin'Andriamanitra, dia tsy mitsaha-mitosaka ety an-tany toy ny ranonorana mivatravatra ny famindrampo sy ny fitiavan'ny Ray. Raha mba sokafan'ny olombelona hitodika ny lanitra ny varavarankelin'ny fanahiny, amin'ny fankasitrahany ireo fanomezan' Andriamanitra, dia hisy hery manasitrana hanafotra azy. — TMF, tt. 65,66. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal