Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy, ohatry ny fankatoavana marina

Daty
Alatsinainy 10 February 2025

"Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?" Rôm. 6:16.

Mofon’aina: 
Tsy niato mba handinika ny vokatry ny tsy fankatoavany i Adama. (...) Manana tombontsoa isika aty aoriana, afaka mahita marina ny atao hoe mandika ny didin'Andriamanitra. Nanaiky ho resin'ny fakam-panahy i Adama, ary satria aseho mazava eo anoloantsika ny momba ny fahotana sy ny aterany, dia hitantsika tsara ny antony sy ny vokany, ka fantatsika fa tsy ny habe na ny hakelin'ny zavatra atao no maha-fahotana ny fahotana, fa ny tsy fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra efa nambara, izay azo lazaina ho fandavana an'Andriamanitra sy ny lalàm-panjakany.

Ao amin'ny fankatoavan'ny olona ny lalàn'Andriamanitra no misy ny fahasambarany. Voahodidina fefy sy voaro amin'ny ratsy izy ireo raha manao izany. Tsy mety ho sambatra izy ireo raha miala amin'ny fitakian'Andriamanitra efa voafaritra, ary tsy ho afaka hametraka fitsipika ho an'ny tenany ka tsy hahita loza. Raha izany mantsy dia hisy ny fitsipika isan-karazany natao hahafa-po ny saina samy hafa, ary horombahin'ny olombelona eo am-pelatanan'Andriamanitra ny fifehezana ny fanjakany. Hatsangana ny lalàn'ny "izaho", ka ny sitrapon'ny olombelona no hanjary faratampony. Ary rehefa aseho ny sitrapon'Andriamanitra ambony sy masina mba hankatoavina sy hajaina ary homem-boninahitra, dia izay sitraky ny fon'ny olombelona sy ny heviny ihany no harahiny, ka hifanipaka ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra.

Nanapaka ilay rojo volamena nampiray ny sitrapon'ny olombelona tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fahalavoan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nanjary zavatra tsy voatery atao ny mankatô. Ny fisainana rehetra avy amin'ny fony no narahin'ny olombelona, ka nahatonga an'Andriamanitra niteny momba ireo mponina talohan'ny Safodrano hoe: "ratsy ihany mandritra ny andro". Hoy ny Tompo Jesôsy hoe: "tahaka ny nitandremako ny didin 'ny Raiko." Tamin'ny fomba ahoana? Tamin'ny maha-olombelona Azy. "Inty Aho tonga (...) ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako", hoy Izy. (…)

Namela ohatra mazava tokony hotahafintsika I lay Zanaka lahitokan'Andriamanitra mandrakizay, tamin'ny alalan'ny teniny sy ny oha-piainany. — MR, b. 6, tt. 337-339. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal