Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fankatoavana mitondra fiadanana sy fahasambarana

Daty
Zoma 14 February 2025

 "Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8.

Mofon’aina:
Tombontsoa lehibe omena antsika ity: azontsika atao ny ho tonga tahaka an'i Kristy — ny mankatô ireo fitsipika rehetra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Kanefa tsy vitantsika velively amin'ny herin'ny tenantsika izany. Avy amin'i Kristy avokoa ny zava-tsoa rehetra ao amin'ny olombelona. Vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra miasa ho antsika, rehefa milefitra eo ambany fitarihana sy ny fifehezan'ny Fanahin'ny fahamarinana isika, ny fahamasinana izay takin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy maintsy ananantsika mba ho voavonjy isika.

Tsy mety ho tonga lafatra ny fankatoavan'ny olombelona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay manome hanitra masina ny asam-pankatoavana marina rehetra. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny maharitra amin'ny ady atao ho fialana amin'ny fahadisoana rehetra. Mila mivavaka tsy mitsahatra izy mba hanasitranan'ny Mpamonjy ny aretim-panahiny. Tsy ananan'izy ireo, izay olombelona mety maty, ny fahendrena sy ny hery hoenti-mandresy. An'ny Tompo izany, ary omeny ireo izay mangataka ny fanampiany amin'ny fo torotoro sy manetry tena. (...)

Maro amin' ireo izay efa nahafantatra sy tia ny Mpamonjy no latsaka ao amin'ny haizina ankehitriny, ary maniasia lavitra Azy. Izao no antony: natoky tena sy nihevitra ho mahavita tena izy ireo, ary nanaraka ny fironana tao anatiny. (...)

Ho fanamelohana ho an'izay rehetra mandà ny fanomezan'ny lanitra ireo porofo maro be avy amin' Andriamanitra maneho ny faniriany hamonjy ny olona rehetra. Amin'ilay andro lehibe faiany, rehefa hovaliana soa na hofaizina ny tsirairay, araka ny fankatoavany na ny tsy fankatoavany, dia hiseho mazava ny hazo fijalian'i Kalvary, eo anatrehan'ireo izay mitsangana eo anoloan'Ilay Mpitsara ny tany rehetra mba handray ny anjarany mandrakizay. Hosokafana ny sain'izy ireo mba hisy ho takany ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona lavo. Ho hitan'izy ireo mazava ny fanalam-baraka an'Andriamanitra nataon'ireo izay nanohy nandika lalàna, niandany tamin'i Satana, sy nanao tsinontsinona ny lalàn'i Jehôvah. Hitany fa ho nitondra fiainana, fahasalamana, fanambinana, ary zava-tsoa mandrakizay ho azy ny fankatoavany io lalàna io. — RH, 15 Marsa 1906. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal