Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Omeny hery hankatoavana

Daty
Alahady 16 February 2025

 "Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory." — Heb. 4:15,16.

Mofon’aina:
Asehon'i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankatò ny fitsipik'izany lalàna izany. Ny fahalavoan'ireo razambentsika voalohany, sy ny fahoriana rehetra vokatr' izany, dia iampangany ny Mpahary, ka tarihiny ny olony hijery an'Andriamanitra ho Ilay niavian'ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io i Jesôsy. Amin'ny maha-anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy. Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin'ny fanandramantsika rehetra izy, «koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy (...)» - Heb. 2:17. Raha misy, na inona na inona tokony hozakaintsika izay tsy niaretan'i Jesôsy, dia izany zavatra izany no anehoan'i Satana fa tsy ampy ho antsika ny herin'Andriamanitra. Noho izany dia «(...) nalaim-panahy tamin 'ny zavatra rehetra (...) — Heb. 4:15» i Jesôsy. Niaritra ny fitsapana rehetra mety hihatra amintsika Izy. Ary tsy nisy hery nampiasainy ho an'ny tenany izay tsy atolony malalaka ho antsika. (...) Hoy Izy: «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko» - Sal. 40:8. (...) Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatò ny lalàn'Andriamanitra.

Tamin'ny alalan'ny maha-olombelona Azy dia nandray ny taranak'olombelona i Kristy; amin'ny alalan'ny maha-Andriamanitra Azy, dia mamikitra ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy. Amin'ny maha-Zanak'olona Azy, dia nanome oha-pankatoavana antsika Izy, amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy, dia manome antsika hery hoenti-mankatò Azy Izy. (...)

Izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika fahamarinana amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba hahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. «(...) Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika». — IFM, U. 11,12, ed. 2023. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal