Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fikomiana ny tsy fankatoavana

Daty
Alarobia 19 February 2025

"Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra." — Mat. 5:19.

Mofon’aina:
Hoy ny teny: «Fa na iza na iza (...) diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.» - Jak. 2:10.

Tsy ny halehiben'ny tsy fankatoavana vita tsy akory no anaovana azy hoe ota, fa ny tsy fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny zava-madinika indrindra; satria io no mampiseho fa mbola misy firaisana amin'ny ota ny fanahy. Mirona mankaminy ny fo. Ary izany dia fandavana an-kitsirano an'Andriamanitra, fikomiana amin'ny lalàn'ny fanjakany.

Raha navela hanao izay danin'ny kibony ny olona, ka hihataka amin'ny didin'i Jehôvah, ary hamorona fitsipika ho an'ny tenany, dia hifanipaka toy ny valala an-karona izy ary hesoriny tsy ho mpanapaka azy intsony i Jehôvah. Hanandra-tena izy, ary hanitsakitsaka sy hanala baraka ny sitrapon'Andriamanitra masina sy ambony, dia ny fikasany feno fitiavana ho an' ny olony.(...)

Ny tsy fihontsonany amin'ny lalàn'Andriamanitra dia mampiditra azy ho miaramilan'i  Satana. Tsy amin'ny teny iray na amin'ny teny maro, fa ny teny tsirairay avy nolazain'Andriamanitra no tokony hiveloman'ny olona. Tsy misy teny tokony hataontsika tsirambina, na toy inona na toy inona hakelezany iheverantsika azy, fa mahavoa antsika io. Tsy misy na iray aza amin'ny didy, izay tsy natao ho soa sy hasambarana ho an'ny olona, na eto amin'ity fiainana ity, na any amin'ny fiainana ho avy. Fa izay tsy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra, na ilany aiza na ilany aiza, dia mandrava ny fefy tokony hahaaro azy; fa manisy banga hidiran'ny fahavalo izay handrodana sy handringana.

Nataon'ireo razantsika tsirambina ny ilany iray tamin'ny sitrapon' Andriamanitra, ka tonga nanokatra lalana hisesehan'ny fahoriana teto an-tany izany. Ary izay rehetra manaraka ny nataony dia mijinja toy izany koa. Fitiavana no fototry ny lalàn'Andriamanitra rehetra, ary izay miala amin'ny fitandremana azy dia miasa ho amin'ny faharavana. — S, tt. 48,49

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal