Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò ny didy koa ny zavaboary

Daty
Zoma 21 February 2025

"Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy?" - Mat. 8:27.

Mofon’aina:
Sasatry ny asa mafy (...) ny Mpamonjy, tonga izao ny fotoana isintahany (...), nitsotsotra teo amin'ny hazo mafin'ny sambokelin' ireo mpanarato Izy ka renoky ny tory. Tsy ela akory taorian'izay, dia niova ilay andro tony sy nahafinaritra teo. Niangona teo amin'ny lanitra ny raho-mainty matevina, ary nifofofofo teo amin'ny ranomasina ny tafio-drivotra mahery (...). Nilentika ny masoandro, ary nandrakotra ny lanitra teo ambonin'ny rano ny haizin'ny alina. Nipoaka mafy tamin'ny sambo ireo onja nisafoaka, nanambana ny hitelina azy isan-tsegôndra. (...) Tsy fantatr' ireo mpanarato (...) izay tokony hatao manoloana izany tafio-drivotra izany. (…) 

"Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?" (...) Namoha an'i Jesôsy tamin'ny torimaso (...) izany hiakiaka nitory fahaverezan-kevitra izany. (...) Tamin'ny fahamendrehan'ny lanitra no nitsanganany teo amin' ilay sambokely tsotran'ireo mpanarato, teo anivon'ny fisafoaky ny tafiotra sy ireo onja izay niantontatonta tamin'ny vatan-dohantsambo ary ireo tselatra nitsoriadriaka nahatsinjovana ny endriny tony sy tsy nisy tahotra. Natsangany ny tanany, (...) ary nilaza tamin'ny ranomasina nisamboaravoara Izy hoe: "Mangina, mitsahara." Nitsahatra ny tafio-drivotra, ary tony ireo onja nisafoaka teo. (...) Rehefa izay dia nitodika tany amin'ireo mpianatra i Jesôsy ka niteny mafy azy ireo hoe: "Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo?" (Mar. 4:38-40) 

Fanginana tampoka no nanjaka teo amin'ireo mpianatra. (...) Na i Petera mpirehidrehitra aza dia tsy niezaka hanambara ny fitalanjonana ombam-panajana fatratra nameno ny fony. Nisetra ny loza tahaka ireo mpianatra koa ireo sambokely hafa niara-dia tamin'i Jesôsy. (...) Nisinda ny tahotra rehetra fa efa lasa ny loza. Nampifanakaiky ireo sambokely ny fisafoaky ny tafio-drivotra ka nahita ny fahagagana nataon'i Jesôsy avokoa izay tao an-tsambo. Tao anatin'ny fanginana (...) dia nifampibitsibitsika izy ireo hoe: "Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?" - Mar. 4:41b. Tsy hadinon'ireo izay nanatri-maso izany na oviana na oviana io toe-javatra mahatalanjona io. - SP 2; tt. 307-309.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal