Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tonga lafatra ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 24 February 2025

"Tsy misy tsiny ny lalàn 'i Jehôvah , mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehôvah , mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehôvah , mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehôvah , mampahazava ny maso." - Sal. 19:7,8.

Mofon’aina:
Ilay Jesôsy tao ambadiky andry rahona izay nitarika ireo vahoaka hebreo ihany no mitarika antsika amin' izao. Izy ilay nanolotra lalàna hendry sy marina ary tsara tamin'ny Isiraely no miteny amintsika tahaka izay nataony tamin' izy ireo ihany. Miankina amin'ny fankatoavana mafy orina ny lalàn'Andriamanitra ny fiadanantsika sy ny fahasambarantsika. (...) Ny fandikana ny iray amin'ireo fitsipika ireo dia tsy fahatokiana amin'ilay Andriamanitry ny lanitra. Manan-danja ho an'ny fahasambarantsika sy ny fahasambaran'ireo rehetra mifandray amintsika ny fitandremana ny tsipiriany tsirairay amin'ny lalàna. "Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy." - Sal. 119:165. (...) Ny mpandika lalàna no tsy mahita fahatsarana eo amin'ny lalàn'Andriamanitra.

Hotsaraina amin'io lalàna io izao tontolo rehetra izao. Mahatratra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo izany, ary takiny ny fahadiovan'ny fisainana sy ny faniriana ary ny fikasana miafina indrindra. Takiny ny hitiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fo manontolo, ary ny hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika. Raha tsy eo ny fanehoana izany fitiavana izany, dia ho fihatsarambelatsihy fotsiny ny fitompoana ambony indrindra momba ny finoana. Takin'Andriamanitra ny fankatoavana ny lalàna avy amin'ny atifon'ny taranak'olombelona. (...)

Fahotana ny fidifiana kely foana amin'ny lalàna, amin'ny fanaovana an-tsirambina na koa ny fandikana izany an-tsitrapo, ary ny fahotana tsirairay dia mahatonga ny mpinota hiatrika ny fahatezeran'Andriamanitra. Hankahala ny famefena ataon'ny lalàn'Andriamanitra ny fo tsy voaova ka hanao izay handosirana ireo fitakiany masina. Miankina amin'ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny lalàn'Andriamanitra sy ny faharesen-dahatra momba ny fahamasinan'izany ary ny fankatoavana ny fitakiany ny mandrakizaintsika. Tsy maintsy resy lahatra ny amin'ny fahotany aloha ny lehilahy sy ny vehivavy vao hahatsapa ny filany an' i Kristy. (...) Ireo izay manitsakitsaka ny lalàn'Andriamanitra dia efa nandà ny hany fitaovana hamaritana amin'ny mpandika lalàna ny atao hoe fahotana. Manao ny asan'ilay mpamitaka lehibe izy ireo. -ST, 3 Marsa 1881. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal