Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Na dia talenta iray aza.

Daty
Talata 11 March 2025

"Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, (...) tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany." - Mat. 25:25-27.

Mofon’aina:
Tsy misy tokony hilaza amin'alahelo fa tsy manana talenta betsaka izy. Rehefa ampiasaina ho voninahitr'Andriamanitra ireo talenta nomeny azy, dia hitombo izany. Tsy fotoana izao hitolokoana ny amin'ny toerantsika eo amin'ny fiainana (...) ka ilazana hoe: Raha mba nanana ny fanomezam-pahasoavany na ny fahaizany aho, dia mety nanolotra renivola betsaka kokoa ho an'ny Tompoko. Raha mampiasa tsara sy amim-pahendrena ny talentany tokana ny olona tahaka izany, dia izay no angatahin'ny Tompo amin' izy ireo.

Jereo ao amin'ny fiangonantsika; vitsy foana ny mpiasa mazoto ao (...). Tsy tsapany fa andraikiny ny fanahy maro. Tsy noana na mangetaheta ny fahamarinana izy ireo. Tsy mba manampy sy manohana izy rehefa mihasarotra ny asa. Ireny sokajin'olona ireny no tsy manana afa-tsy talenta tokana ary nanao izany tao anaty mosara ka nandevina azy tao ambanin'ny tany (...). Eo am-pikatsahana ireo zavatra eto amin' izao fiainana izao, dia veriny ny hoavy sy ny fiainana mandrakizay - ny voninahitra lehibe lavitra sy mandrakizay. Inona no azo lazaina sy azo atao hamohazana io sokajy misy ireo mambran'ny fiangonana ireo, mba hahatsapany fa hampamoahana eo anatrehan'Andriamanitra izy? Moa ve ireo vahoaka mitonona ho Kristianina mpitandrina ny didy tsy tokony handre izao teny mahatahotra izao: "Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify"?

Tokony hiasa ho an'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra. Tokony hisy mpiasa zato eo amin' izay tsy misy afa-tsy olona iray mahatsapa ho manana andraikitra amin'ny fanahy maro ankehitriny. (...) Aoka ireo izay manana talenta iray hampiasa izany tsara ka hahita azy hitombo avo roa heny. Andriamanitra dia mankasitraka "araka izay ananany (...) fa tsy araka izay tsy ananany." -RH, 14 Marsa 1878.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal