Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza mitomoe-poana

Daty
Sabotsy 15 March 2025

 "Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin 'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa." - Mat. 20:13,14.

Mofon’aina:
Noho ny fahasoavan' Andriamanitra no nanomezany antsika efatra amby roapolo ora isan'andro. Haren-tsarobidy azo anaovan-tsoa marobe izany. Ahoana no ampiasantsika ireo fotoam-bolamena fanararaotra ireo? Amin'ny maha-Kristianina, dia tokony hanao an'Andriamanitra ho lohalaharana isika, raha tiantsika tsy ho verivery foana ireo ora sarobidy ary koa mba hahazoantsika vokatra tsara.

Vidim-bola ny fotoana. Azo atao hoe kamo izay tsy manaiky hiasa noho ny tsy fahazoany ny karama ambony indrindra. Tsara kokoa ho azy ny miasa, na dia latsaka noho izay heveriny fa mendrika ny asany aza no azony.

Talenta nankinina tamintsika ny fotoana, ary mahamenatra ny fampiasan'ny olona izany tsy araka ny tokony ho izy. Ny zanak' Andriamanitra rehetra, na lahy na vavy, na zaza na tanora, dia tokony handinika sy hahatsapa ny tombambidin'ny segôndra rehetra. Raha manao izany izy ireo, dia hiasa hatrany, na dia tsy mandray ny 
karama ambony mety ho azony aza. Tokony hasehon'izy ireo ny fitiavany ny fahazotoana sy ny asa, na ohatrinona na ohatrinona karama azony. Ny fandavan'ny olona mahantra iray izay manana ankohonana tsy hiasa, noho ny karama kely kokoa, noho ny fiheverany fa tsy mendrika ny asa vitany izany, dia fahadalana tsy tokony hampirisihina.

 Kely loatra ny fieritreretana momba izany lohahevitra izany kanefa hanao ahoana ny fahalehibeazan'ny fahombiazana hita eo amin'ny asa misiônera raha toa nodinihina tsara sy nampiasaina tamim-pahatokiana ny talentan'ny fotoana! Isika rehetra dia hampamoahina eo anatrehan' Andriamanitra noho ny amin'ny fotoana nolanilanina foana, hampamoahina antsika koa ny fomba nampiasana izany. Fitantanam-pananana tsy dia omen'ny olona tombambidy izany; maro mantsy no mihevitra fa tsy fahotana ny fandaniana ny ora sy ny andro amin'ny fitomoe-poana nefa tokony hanasoavany ny tenany sy ny hafa izany. - MR 6:80,

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal