Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ataovy amim-pahatokiana ny asanao

Daty
Alakamisy 20 March 2025

 "Koa samy hampamoahin 'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. Koa aza mifampitsara intsony isika." - Rôm. 14:12,13a.

Mofon’aina:
Tsy misy toerana ho an'ny fireharehana ao amin'ireo   ezaka ataontsika, satria miankina mandrakariva amin'ny fahasoavan'Andriamanitra isika, ary izay rehetra ananantsika dia nomena antsika. Hoy i Jesôsy: "raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona." - Jao. 15:5. 

Ireo talenta izay nomen' Andriamanitra antsika ihany no andraikitsika. Tsy manome tsiny ireo mpanompo izay nampitombo ny talentany ho avo roa heny ny Tompo, dia ireo izay niasa araka ny fahaiza-manao ananany. Araka izany, ireo izay mampiseho toetra mahatoky dia mahazo sitraka sy valisoa, fa ireo izay mitomoe-poana ao amin'ny tanimboaloboka kosa, (...) na koa manao tsirambina ny asan'ny Tompo, dia mampiseho marimarina amin'ny alalan'ny asany ny tsy fahalianany amin'ny asa niantsoana azy. (...) Tsy nankasitrahany ary tsy nampiasainy araka ny tokony ho izy ny talenta nomena azy ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjem-panahy. (...) 

Aoka tsy hisy halahelo satria tsy manana talenta betsaka hampiasaina ho an'ny Tompo. Raha maneho tsy fahafaliana na mitaraina ianao, dia very fotoana sarobidy sy mandanilany foana ny fotoana manan-danja fanararaotra. Isaory Andriamanitra noho ny fahaiza-manao anananao, ary mivavaha mba hahafahanao manatanteraka ireo andraikitra napetraka taminao. Raha maniry ny hanasoa ny hafa kokoa ianao, dia mandehana miasa ary katsaho izay irinao. (...) "Koa samy hampamoahin 'Andriamanitra ny amin 'ny tenany avy isika rehetra." -Rôm. 14:12. Aoka ny eritreritrao sy ny teninao tsy ho tahaka izao: "Endrey! Lehibe tokoa ny asa vitako! Efa nitana toerana tahaka izao sy izao aho!"

 Ataovy ny adidinao eo amin'izay misy anao. Ampiasao araka izay tsara indrindra azo atao ny fanomezana nankinina taminao any amin'ny toerana rehetra izay hahatonga ny asanao ho sarobidy indrindra eo imason'Andriamanitra. Aza miasa ho fikendrena fahamboniana. Aza mitsiriritra ny talentan'ny hafa satria tsy hampitombo ny fahafahanao manao asa tsara na lehibe izany. Ampiasao amin-kalemem-panahy sy amim-panetren-tena ary amin'ny finoana feno toky ny fanomezana natolotra anao, ary miandrasa ny andron'ny famaliana dia tsy hahita antony tokony halahelovana na hahamenatra ianao. - RH, 1 Mey 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal