Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo tombontsoan'ny fianarana Baiboly.

Daty
Alarobia 02 April 2025

 "Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesôsy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany." - 2 Pet. 2:20.

Mofon’aina:
Nomena fahazavana lehibe ireo Mpanavao fivavahana, saingy maro tamin'izy ireo no nanjary diso hevitra noho ny fahazavana diso ny Soratra Masina. Namakivaky taonjato maro ireo fahadisoana ireo, saingy na efa antitra toy izany aza ireo, dia tsy manana ny "Izao no lazain 'i Jehôvah " manohana azy. Fa hoy Jehôvah : "ny nolazain'ny molotro tsy hovako." Noho ny famindrampon'ny Tompo lehibe, dia fahazavana lehibe lavitra aza no ataony mamirapiratra amin'izao andro farany izao. Nampitainy tamintsika ny hafany, izay manambara ny lalany sy mampiseho amintsika ny fahamarinana. Ao amin'i Kristy no misy ny loharanon'ny fahalalana rehetra. Ao Aminy no itoeran'ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay. Izy no Mpampianatra lehibe indrindra tsy mbola fahitan' izao tontolo izao hatrizay, ary raha maniry hampivelatra ny sain'ny ankizy sy ny tanora isika, handresy lahatra azy ireo araka izay azo atao mba ho tia ny Baiboly, dia aoka hampifantoka ny sainy amin'ny fahamarinana tsotra sy mazava (...). Ampirisiho izy ireo handalina ireo lohahevitra ireo, fa fahendrena sarobidy no ho vokatry ny ezaka ataony amin ' izany.

Ny fanehoan'Andriamanitra ny Tenany ao amin'i Jesôsy Kristy, dia manome lohahevitra lehibe hodinihina, ary raha ianarana, dia handranitra ny saina, hanandratra, ary hanatsara ny fahaiza-manao. Rehefa mianatra ireo lesona ireo ao amin'ny sekolin'i Kristy ny olombelona, ka manao izay anahafana an'i Kristy malemy fanahy sy tsy miavona am-po, dia handray ny lesona mahasoa indrindra — fa raha tsy hamasinina amin'ny alalan'ny fifandraisana velona amin'Andriamanitra ny saina dia tsy hanana ny fahaiza-manaony ambony indrindra. (...) Manjary tsinontsinona ny "izaho" rehefa mibanjina an'Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy izay nirahiny. Tsy maintsy atao fototra iorenan'ny fianarana rehetra ny Baiboly. Aoka hianarantsika tsirairay ao amin' io bokin-desona nomen'Andriamanitra antsika io ny fepetran'ny famonjena ny fanahintsika; io mantsy no hany boky milaza amintsika izay tokony hatao mba hovonjena. Tsy izany ihany, fa azo anovozan-kery ho an'ny saina koa io boky io. - FCE, U. 450,451. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal