Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha fahendrena amin'Andriamanitra

Daty
Zoma 04 April 2025

"Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?" — Jôba 28:20.

Mofon’aina:
Tsy maintsy hitolona amin'ny zava-tsarotra ianao, hitondra enta-  mavesatra, hanome torohevitra, hanao drafitra sy hanatanteraka izany, ary hitady ny fanampian'Andriamanitra mandrakariva. Mivavaha ary miasà, miasà ary mivavaha; tahaka ireo mpianatra tao amin'ny sekolin'i Kristy, mianara amin'i Jesôsy .

Nanome teny fikasana ho antsika Andriamanitra, manao hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin' Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olony rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. "— Jak. 1:5. Baiko avy amin'Andriamanitra ny hivorian'ireo manana andraikitra mba hifanoroany sy hanaovany vavaka mafana ho fangataham-pahendrena, izay tsy misy afaka manome afa-tsy Izy. Lazao amin'Andriamanitra ny olanareo; aoka tsy hiresaka betsaka satria fotoana sarobidy maro no very amin'ny firesahana tsy mitondra fahazavana. Aoka ny mpirahalahy hiray ao amin'ny fifadian-kanina sy ny vavaka ho fangatahana ny fahendrena nampanantenain'Andriamanitra fa homeny amim-pahalalahan-tanana. Ambarao Aminy tahaka izay nataon'i Mosesy hoe: "Tsy afaka hitarika izao vahoaka izao aho raha tsy momba ahy Ianao." Ataovy koa izao fangatahana izao; miaraha mivavaka amin'i Mosesy hoe: "Mba ampahitao ny voninahitrao aho" - Eks. 33:18. Ino na moa izany voninahitra izany? -Ny toetran'Andriamanitra. Izany no nambarany tamin'i Mosesy.

Aoka hifikitra amin'Andriamanitra amim-pinoana velona ny fanahy. Aoka ny lela hidera Azy. Aoka ny saina hibanjina ireo fahamarinana mandrakizay amim-panajana, eo am-piarahanareo miasa. Toy izany no hifanampianareo mba hanana fisainana ara-panahy. Rehefa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitraponareo, dia hifanara-tsaina koa ianareo; ho eo anilanareo, ho mpanolo-tsaina anareo i Kristy.

Niara-nandeha tamin'Andriamanitra i Enôka. Toy izany koa ny mpanompon'Andriamanitra tsira iray. Afaka miara-milaza amin'i Mosesy ianao hoe: "Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehôvah , fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho." — Sal. 16:8. Na mahatsiaro tena ho tsy ampy aza ianao dia ampy ho anao i Jesôsy . Raha olombelona hafa mety maty sy voafetra toa anao no ilanao saina sy anantenanao fahendrena dia fanampian'olombelona ihany no ho azonao. Raha mangataka fanampiana sy fahendrena amin'Andriamanitra kosa ianao dia tsy handiso fanantenana ny finoanao velively Izy. GW, tt. 417,418. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal