Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mangataha fahendrena amin'Andriamanitra

Daty
Zoma 04 April 2025

"Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?" — Jôba 28:20.

Mofon’aina:
Tsy maintsy hitolona amin'ny zava-tsarotra ianao, hitondra enta-  mavesatra, hanome torohevitra, hanao drafitra sy hanatanteraka izany, ary hitady ny fanampian'Andriamanitra mandrakariva. Mivavaha ary miasà, miasà ary mivavaha; tahaka ireo mpianatra tao amin'ny sekolin'i Kristy, mianara amin'i Jesôsy .

Nanome teny fikasana ho antsika Andriamanitra, manao hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin' Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olony rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. "— Jak. 1:5. Baiko avy amin'Andriamanitra ny hivorian'ireo manana andraikitra mba hifanoroany sy hanaovany vavaka mafana ho fangataham-pahendrena, izay tsy misy afaka manome afa-tsy Izy. Lazao amin'Andriamanitra ny olanareo; aoka tsy hiresaka betsaka satria fotoana sarobidy maro no very amin'ny firesahana tsy mitondra fahazavana. Aoka ny mpirahalahy hiray ao amin'ny fifadian-kanina sy ny vavaka ho fangatahana ny fahendrena nampanantenain'Andriamanitra fa homeny amim-pahalalahan-tanana. Ambarao Aminy tahaka izay nataon'i Mosesy hoe: "Tsy afaka hitarika izao vahoaka izao aho raha tsy momba ahy Ianao." Ataovy koa izao fangatahana izao; miaraha mivavaka amin'i Mosesy hoe: "Mba ampahitao ny voninahitrao aho" - Eks. 33:18. Ino na moa izany voninahitra izany? -Ny toetran'Andriamanitra. Izany no nambarany tamin'i Mosesy.

Aoka hifikitra amin'Andriamanitra amim-pinoana velona ny fanahy. Aoka ny lela hidera Azy. Aoka ny saina hibanjina ireo fahamarinana mandrakizay amim-panajana, eo am-piarahanareo miasa. Toy izany no hifanampianareo mba hanana fisainana ara-panahy. Rehefa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitraponareo, dia hifanara-tsaina koa ianareo; ho eo anilanareo, ho mpanolo-tsaina anareo i Kristy.

Niara-nandeha tamin'Andriamanitra i Enôka. Toy izany koa ny mpanompon'Andriamanitra tsira iray. Afaka miara-milaza amin'i Mosesy ianao hoe: "Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehôvah , fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho." — Sal. 16:8. Na mahatsiaro tena ho tsy ampy aza ianao dia ampy ho anao i Jesôsy . Raha olombelona hafa mety maty sy voafetra toa anao no ilanao saina sy anantenanao fahendrena dia fanampian'olombelona ihany no ho azonao. Raha mangataka fanampiana sy fahendrena amin'Andriamanitra kosa ianao dia tsy handiso fanantenana ny finoanao velively Izy. GW, tt. 417,418. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal