"Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina."Lio. 24:45.
Mofon’aina:
Sokafy amin'ny tanorantsika ny Baiboly, tariho ho amin'ireo harena miafina ao ny fahalianany, ampianaro izy hitrandraka ireo vatosoan' ny fahamarinana ao, dia hahazo hery sy fahalalana izy ireo, tahaka izay tsy azon'ny fianarana filôzôfia rehetra omena azy. Mampitombo ny herin'ny saina amin'ny fomba izay tsy azontsika veroka sy tsy haintsika hazavaina tanteraka ireo hevi-dehibe resahina ao amin'ny Baiboly, ny fahatsoran'ireo teny masina raketiny, ireo lohahevitra ambony asehony amin'ny saina, ary ny fahazavana mamirapiratra madio avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izay manazava ny fahatakarany.
Misy saha tsy misy fetra azon'ny saina iasana ao amin'ny Baiboly, izay manana toetra ambony sy manandratra lavitra noho ny fahalalana ivelambelany foronin'ny saina tsy voamasina, toy ny haavon'ny lanitra amin'ny tany. Napetraka eo am-pelatanan'ny tsirairay ny tantara masina momba ny taranak'olombelona. Afaka manomboka mandinika izany avokoa ny rehetra ankehitriny. Azo fantarina ny amin'ireo ray aman-drenintsika voalohany tao Edena, tao anatin'ny tsy fananan-tsiny sy ny fahamasinana (...). Afaka mahita ny fomba nidiran'ny ota sy ny vokany eo amin'ny taranak'olombelona izy ireo, ary manaraka miandalana ny fizotry ny tantara masina, izay mirakitra ny tsy fankatoavana sy ny tsy fibebahan'ny taranak'olombelona, ary koa ny sazy mendrika ny fahotana.
Afaka mifandahatra amin'ireo patriarika sy mpaminany ny mpamaky, afaka manatrika ireo toe-javatra mam-pahery indrindra, afaka mahita an' i Kristy Izay Mpanjakan'ny lanitra, mitovy amin' Andriamanitra, nidina tetSr an-tany mba hanatanteraka ny drafi-pamonjena, nanapatapaka ny rojo namatoran'i Satana ny zanak' olombelona, mba ho azon'izy ireo atao indray ny hitondra ny endrik' Andriamanitra eo aminy. I Kristy nitafy ny maha-olombelona, tena olombelona nandritra ny telopolo taona, nanolotra ny ainy ho fanatitra noho ny ota, mba hamonjena ny olona tsy ho very; izany no lohahevitra mendrika hosaintsainina sy hodinihina ary hifantohana indrindra. (...)
Mety misy olona manana tombon-tsoa nianatra tany an-tsekoly, ary mety mahafantatra tsara ireo mpanoratra malaza momba ny teôlôjia, kanefa ny fikatsahana sy ny fisaintsainana ny Tenin'Andriamanitra amim-bavaka sy amim-paniriana lalina hahatakatra ny heviny no hanazava amin'ny saina ny fahamarinana, amin-kery vaovao sy mahagaga. — RH, 11 Janoary 1881.