"Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. " - Ohab. 4:5.
Mofon’aina:
Tsy fotoana amokisana ny saina amin'ny antsoin'ny olona hoe "fianarana ambony" izao. Tokana ihany ny fianarana ambony dia izay avy amin'Ilay Tompon'ny fahamarinana. Tokony ho fianarantsika ny Tenin'Andriamanitra. Mila beazintsika araka ireo fahamarinana voarakitra ao ny zanatsika. Harena tsy hita lany izany, saingy tsy hitan'ny lehilahy sy ny vehivavy satria tsy katsahiny fatratra mandra-pahazoany azy. Ao amin'io Teny io no misy ny fahendrena, fahendrena tanteraka sy tsy misy fetra, izay tsy avy amin'ny saina voafetra fa avy amin'Ilay Saina tsy manam-petra.
Rehefa manaiky ampianarina tahaka ny zaza madinika ny lehilahy sy ny vehivavy, rehefa milefitra tanteraka amin'Andriamanitra izy ireo dia hahita ny siansan'ny fanabeazana ao amin'ny Soratra Masina. (...)
Izay te hahita fahombiazana eo amin'ny fitadiavana ny harena nafenina dia tsy maintsy misondrotra ho amin'ny zava-kendrena ambony kokoa noho ny zavatra eto an-tany. Tsy maintsy hatokana ho amin'ny fikarohana ny fitiavany sy ny fahaizany rehetra. Mahita ireo fahamarinana mandrakizay ireo lehilahy sy vehivavy mpivavaka sy manan-talenta, kanefa matetika no tsy mahatakatra izy ireo, satria ny zavatra hitan'ny masony no manakona ny voninahitry ny tsy hita maso. Maro no mihevitra fa ambony noho ny fahendren'Ilay Mpampianatra avy any an-danitrany fahendren ' ny olombelona, ary heverina ho tsy manaraka ny toetr'andro intsony sy tsy mahaliana ny bokin-deson'Andriamanitra. Tsy miombon-kevitra amin'izany anefa ireo izay velombelomin'ny Fanahy Masina. Harena tsy hita pesimpesenina no hitany, ary hamidiny aza ny fananany rehetra mba hahazoany ny saha misy izany. (...)
Ireo izay manao ny Tenin'Andriamanitra ho fianarana ka mandalina mba hahita ny haren-tsarobidin'ny fahamarinana, dia hankasitraka sy handray ireo foto-kevitra manan-danja ampianarina ao. Ho vonton'ny Fanahin'i Kristy izy ireo vokatr'izany, ary ho voaova araka ny endriny eo am-pibanjinana Azy. Hampianatra izy ireo, toy ny efa nianatra teo an-tongotr'i Jesôsy, ka nitozo tamin'izany mba hahafantatra Azy. Ny mahafantatra Azy mantsy no fiainana mandrakizay. — RH, 3 Jolay 1900.