Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana

Daty
Alahady 04 May 2025

Mazana ahafantarantsika zavatra betsaka ny fampitahana hevitra anankiroa. Maro ny fahalalana mety ho azontsika momba ny toetry ny fanatitra ara-Baiboly rehefa dinihintsika ny nandavan'Andriamanitra ny fanatitra nataon'ny vahoakany.

Ampitahao ny Isa. 1:2-15 sy ny Isa. 56:6,7 ary ny Sal. 51:17. Inona ireo lesona lehibe ampianarina antsika eto momba ny fanatitra?

Tsy io tranga mampalahelo teo amin'ny tantaran'ny Isiraely io no voalohany nandavan’Andriamanitra fanatitra; nisy toe-javatra mitovy amin'izany koa tany am-piandohan'ny tantaran'ny famonjena, rehefa neken'Andriamanitra ny fanatitr'i Abela fa tsy nankasitrahany kosa ny an'i Kaina. Ahafahantsika mampitaha indray ny fanatitra azon'Andriamanitra ekena sy ny tsy ankasitrahany io toe-javatra niseho tany am-boalohany io. (Jereo ny Gen. 4:3-7 sy ny Heb. 11:4.)

Nanaraka fombafomba fotsiny ny Isiraely tamin'ny andron'i Isaia; nanatanteraka adidy ara-pivavahana fotsiny izy ireo mba hampitony an'Andriamanitra, nefa niaina araka izay tiany ihany. Ny fanatitra nateriny dia niorina tamin'ny fitiavan-tena, tahaka ny an'i Kaina, fa tsy tamin'ny toe-tsaina feno fankatoavana sy fileferana amin'Andriamanitra.

Izany koa no toe-tsaina manentana izao tontolo izao: ny toe-tsaina miseho ho mahavita tena. Naniry hanao izay tiany i Kaina teo amin'ny fiainany. Araka izay heveriny fa mety no nanaovany fombafomba teo anatrehan'Andriamanitra. Azo lazaina ho nanelingelina azy Andriamanitra, nanakana azy tsy hanao izay tiany, saingy natahotra Azy ihany izy ka nanaiky.

Ny fanatitra nangatahin'Andriamanitra kosa no natolotr'i Abela, dia fanatitra nampiseho mazava ny teny fikasan'Andriamanitra momba Ilay Mesía ho avy (Gen. 3:15): zanak'ondry, izay manondro ny asam-pamonjena hataon'i Kristy eo Kalvary.

"Nazava tamin'i Abela ny foto-kevitra lehibe momba ny fanavotana. Nahatsiaro ny tenany ho mpanota izy ka nahatsinjo ny fahamelohany sy ny fahafatesana izay tambin'izany nampisaraka azy tamin'Andriamanitra. Raha nitondra fanatitra alatsa-drà izy dia nanaiky ho diso tamin'ny lalàn'Andriamanitra; ka nahita tamin'ny alalan'ilay ra nalatsaka, ny fanavotana hatolotr'llay Mpamonjy ho faty hisolo azy. Izany no sady nahazoany fankasitrahana no nandraisany fahamarinana." - PM, t. 51,52.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny miaro tena mba tsy hanao ny fivavahana ho fombafomba fotsiny? Ahoana no ahafahantsika manao fanandramana ny atao hoe tsy manana fanantenam-pamonjena isika afa-tsy amin'ny fianteherana tanteraka amin'ny fahafatesan'i Jesôsy ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal