Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaova asa famonjem-panahy amin'ny Sabata

Daty
Talata 13 May 2025

 «Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.» - Isa. 13:12.

Mofon’aina:
Raha nety ny nataon'i Davida tamin'ny nampitoneny ny anoanany ka nihinanany ny mofo izay efa natokana ho amin'ny zavatra masina, dia nety koa ny nataon'ny mpianatra tamin'ny nakany izay nilainy ka niotazany vary tamin'ny ora masin'ny Sabata. Ankoatra izany, ny mpisorona dia nanao asa lehibe tao amin'ny tempoly tamin'ny Sabata mihoatra noho ny tamin'ny andro hafa. Ho fahotana ny asa toy izany raha eo amin'ny asa aman-draharaha ara-nofo, fa ny asan'ny mpisorona kosa dia ao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Nanatanteraka ny asany izay nirindra tamin'ny zava-kendren'ny Sabata izy, i Kristy mihitsy anefa izao no tonga. Tamin'ny fanaovany ny asan'i Kristy dia niditra teo amin'ny asan'Andriamanitra ny mpianatra, ary izay ilaina hanatanterahana io asa io, dia mety ny manao izany amin'ny andro Sabata.

 Tian'i Kristy hampianarina ny mpianany sy ny fahavalony fa ny fanompoana an'Andriamanitra no voalohany amin'ny zavatra rehetra. Ny zava-kendren'ny asan'Andriamanitra eto amin'ity izao tontolo izao ity dia ny fanavotana ny olona; noho izany, izay ilaina hatao amin'ny andro Sabata ho fanatanterahana io asa io, dia mifanaraka amin'ny lalana momba ny Sabata. Rehefa izany dia nofaranan'i Jesôsy ny fonjan-kevitra nentiny tamin'ny fanambarana ny tenany ho "Tompon'ny Sabata" - dia Ilay ambonin'ny fanontaniana rehetra sy ambonin'ny lalana rehetra. Nanafaka ny fanamelohana ny mpianatra io Mpitsara tsy voafetra io, ka ny didy indrindra izay niampangana azy ho nodikainy no nentina nanamarina azy. 

"Sabata iray hafa, raha niditra tao amin'ny sinagoga i Jesôsy , dia nahita lehilahy efa mama ny tanany. Nanara-maso Azy ny Fariseo, liana fatratra hahita izay hataony. (...) Nobaikoin'i Jesosy hitsangana ilay lehilahy mahantra, dia nanontany Izy hoe: «Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? "Fombam-pitenenana teo amin'ny Jiosy ny hoe ny tsy fanaovana ny soa, rehefa misy fotoana mety hanaovana izany, dia fanaovana ratsy: ary ny fanaovana an-tsirambina ny famonjena aina dia famonoana olona. Noho izany dia teo amin'ny toerana nisy azy ihany no nifanoheran'i Jesôsy taminy." (...) — IFM, tt. 222,223. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal