Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaova asa famonjem-panahy amin'ny Sabata

Daty
Talata 13 May 2025

 «Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.» - Isa. 13:12.

Mofon’aina:
Raha nety ny nataon'i Davida tamin'ny nampitoneny ny anoanany ka nihinanany ny mofo izay efa natokana ho amin'ny zavatra masina, dia nety koa ny nataon'ny mpianatra tamin'ny nakany izay nilainy ka niotazany vary tamin'ny ora masin'ny Sabata. Ankoatra izany, ny mpisorona dia nanao asa lehibe tao amin'ny tempoly tamin'ny Sabata mihoatra noho ny tamin'ny andro hafa. Ho fahotana ny asa toy izany raha eo amin'ny asa aman-draharaha ara-nofo, fa ny asan'ny mpisorona kosa dia ao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Nanatanteraka ny asany izay nirindra tamin'ny zava-kendren'ny Sabata izy, i Kristy mihitsy anefa izao no tonga. Tamin'ny fanaovany ny asan'i Kristy dia niditra teo amin'ny asan'Andriamanitra ny mpianatra, ary izay ilaina hanatanterahana io asa io, dia mety ny manao izany amin'ny andro Sabata.

 Tian'i Kristy hampianarina ny mpianany sy ny fahavalony fa ny fanompoana an'Andriamanitra no voalohany amin'ny zavatra rehetra. Ny zava-kendren'ny asan'Andriamanitra eto amin'ity izao tontolo izao ity dia ny fanavotana ny olona; noho izany, izay ilaina hatao amin'ny andro Sabata ho fanatanterahana io asa io, dia mifanaraka amin'ny lalana momba ny Sabata. Rehefa izany dia nofaranan'i Jesôsy ny fonjan-kevitra nentiny tamin'ny fanambarana ny tenany ho "Tompon'ny Sabata" - dia Ilay ambonin'ny fanontaniana rehetra sy ambonin'ny lalana rehetra. Nanafaka ny fanamelohana ny mpianatra io Mpitsara tsy voafetra io, ka ny didy indrindra izay niampangana azy ho nodikainy no nentina nanamarina azy. 

"Sabata iray hafa, raha niditra tao amin'ny sinagoga i Jesôsy , dia nahita lehilahy efa mama ny tanany. Nanara-maso Azy ny Fariseo, liana fatratra hahita izay hataony. (...) Nobaikoin'i Jesosy hitsangana ilay lehilahy mahantra, dia nanontany Izy hoe: «Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? "Fombam-pitenenana teo amin'ny Jiosy ny hoe ny tsy fanaovana ny soa, rehefa misy fotoana mety hanaovana izany, dia fanaovana ratsy: ary ny fanaovana an-tsirambina ny famonjena aina dia famonoana olona. Noho izany dia teo amin'ny toerana nisy azy ihany no nifanoheran'i Jesôsy taminy." (...) — IFM, tt. 222,223. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal