Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nitandrina ny Sabata tamin'ny fanaovan-tsoa i Jesôsy.

Daty
Alarobia 21 May 2025

 "Ary hoy Jesôsy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?" - Lio. 6:9.

Mofon’aina:
Tsy fanitsakitsahana ny Sabata tsy akory ny fanaovana ny asa   tsy maintsy atao, tahaka ny fikarakarana ny marary na ny olona efa antitra, sy ny fanamaivanana ny fahakiviana. Mifandrindra tsara amin'ny lalàna momba ny Sabata ny asa tahaka izany. Niasa mandrakariva tamin'ny andro Sabata ilay Ohatra lehibe ho antsika rehefa hitany ny zavatra nilain'ireo marary sy mijaly. Noho izany no niampangan'ny Fariseo Azy ho mpanitsakitsaka ny Sabata, tahaka izay ataon'ireo mpitandrina maro amin'izao andro izao izay manohitra ny lalàn'i Jehôvah . Nefa hoy isika: Aoka Andriamanitra no ho marina, fa mpandainga ny olona rehetra izay miampanga ny Mpamonjy tahaka izany. (...)

Rehefa nampangaina (...) Izy (...) dia nametraka izao fanontaniana izao tamin'ireo mpiampanga Azy: "Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?" Izao no nambarany (...): "Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata." - Mat. 12:12b. (...) - ST, 28 Febroary 1878.

Izay mitana fa nanafoana ny lalàna Kristy, dia mampianatra fa nandika ny Sabata Izy, ary milaza marina koa fa nanao izany ny mpianatra. Amin'izany dia tena mankeo amin'ny toerana nisy ny Jiosy mpanazimbazimba koa izy ireo. Ary izany dia anoherany ny teny vavolombelon'i Kristy mihitsy izay nanambara fa nitandrina ny didin'ny Rainy Izy sy nitoetra tamin'ny fitiavany. Na ny Mpamonjy na ny mpanaraka Azy dia samy tsy nandika ny lalàna momba ny Sabata. I Kristy no fanehoana velona ny lalàna. Tsy nisy fandikana ny fitsipiny masina hita teo amin'ny fiainany(...)

"Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata», hoy i Jesôsy . (... ) Nomen'Andriamanitra ny vahoakany mba ho fitahiana ny lalàn'ny didy folo, ary anisan'izany ny Sabata. «Ary Jehovah nandidy antsika, hoy i Mosesy, hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehôvah Andriamanitsika, mba habita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao." - Deo. 6:24. — IFM, tt. 224,225.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal