"Ary hoy Jesôsy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?" - Lio. 6:9.
Mofon’aina:
Tsy fanitsakitsahana ny Sabata tsy akory ny fanaovana ny asa tsy maintsy atao, tahaka ny fikarakarana ny marary na ny olona efa antitra, sy ny fanamaivanana ny fahakiviana. Mifandrindra tsara amin'ny lalàna momba ny Sabata ny asa tahaka izany. Niasa mandrakariva tamin'ny andro Sabata ilay Ohatra lehibe ho antsika rehefa hitany ny zavatra nilain'ireo marary sy mijaly. Noho izany no niampangan'ny Fariseo Azy ho mpanitsakitsaka ny Sabata, tahaka izay ataon'ireo mpitandrina maro amin'izao andro izao izay manohitra ny lalàn'i Jehôvah . Nefa hoy isika: Aoka Andriamanitra no ho marina, fa mpandainga ny olona rehetra izay miampanga ny Mpamonjy tahaka izany. (...)
Rehefa nampangaina (...) Izy (...) dia nametraka izao fanontaniana izao tamin'ireo mpiampanga Azy: "Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty?" Izao no nambarany (...): "Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata." - Mat. 12:12b. (...) - ST, 28 Febroary 1878.
Izay mitana fa nanafoana ny lalàna Kristy, dia mampianatra fa nandika ny Sabata Izy, ary milaza marina koa fa nanao izany ny mpianatra. Amin'izany dia tena mankeo amin'ny toerana nisy ny Jiosy mpanazimbazimba koa izy ireo. Ary izany dia anoherany ny teny vavolombelon'i Kristy mihitsy izay nanambara fa nitandrina ny didin'ny Rainy Izy sy nitoetra tamin'ny fitiavany. Na ny Mpamonjy na ny mpanaraka Azy dia samy tsy nandika ny lalàna momba ny Sabata. I Kristy no fanehoana velona ny lalàna. Tsy nisy fandikana ny fitsipiny masina hita teo amin'ny fiainany(...)
"Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata», hoy i Jesôsy . (... ) Nomen'Andriamanitra ny vahoakany mba ho fitahiana ny lalàn'ny didy folo, ary anisan'izany ny Sabata. «Ary Jehovah nandidy antsika, hoy i Mosesy, hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehôvah Andriamanitsika, mba habita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao." - Deo. 6:24. — IFM, tt. 224,225.