Vakio ny Sal. 47:1-4. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny toerana hisy antsika any amin'ny fanjakan'i Kristy?
Hamiratra ny hoavy any aoriana any. Mandra-pahatonga izany, dia afoin'ny olombelona ho an'i Losifera ny fanapahana ny tany. Tamin'ny fotoana nisehoan'i Satana tany amin'ny filan-kevitry ny lanitra ao amin'ny bokin'i Jôba no efa nireharehany ny maha-tompon'ny tany azy. "Avy taiza hianao?" hoy i Jehôvah taminy. "Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny" hoy izy (Joba 1:7).
Nanambara i Satana fa azy ny tany; tamin'ny andro fahiny dia nampiasaina ny tongotra mba haneho ny maha-tompon'ny tany ny olona iray. "Míainga hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy." - Gen. 13:17.
Ampitahao ny 1 Tes. 4:13-17 sy ny Zak. 14:4, ary ifantohy ny tongotr'i Kristy. Inona ny fahasamihafana hitanao eo amin'ireo toko sy andininy ireo, ary inona no ampianariny antsika momba ireo lafiny roa samy hafa, na dia mifandray aza, eo amin'ny fanapahan'i Kristy an'ity tontolo ity?
Izao no nosoratan'i Ellen G. White momba izay ataon'i Kristy amin'ny fiafaran'ny arivo taona: "Midina eo amin'ny tendrombohitra Oliva i Kristy, izay toerana niakarany taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty, sy namerenan'ireo anjely ny teny fikasana momba ny fiverenany koa. Hoy ny mpaminany: 'Ary ho avy Jehôvah Andriamanitro mbamin'ny masiny rehetra momba Azy.' 'Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany (...) ka hisy lohasaha lehibe." "Ary Jehôvah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehôvah ; sady iray no anarany." -Zak. 14:5,4,9. Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema Vaovao izay sady kanto no mamirapiratra, dia hipetraka eo amin'ny toerana efa nodiovina sady voaomana handray azy, ka hiditra ao amin'ny Tanana Masina i Kristy miaraka armin'ny vahoakany sy ny anjeliny." - HM, tt. 689, 690.
Jereo ny fanantenana omena antsika ao amin'i Jesôsy. Eritrereto ny hamafin'ny fiainana raha toa ny fahafatesana no mamarana mandrakizay ny zava-drehetra. Ho zava-poana avokoa ny zavatra rehetra, sa tsy izany?