Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Ambanin’ny tongony.

Daty
Talata 27 May 2025

Vakio ny Sal. 47:1-4. Inona no ambaran'io Salamo io momba ny toerana hisy antsika any amin'ny fanjakan'i Kristy?

Hamiratra ny hoavy any aoriana any. Mandra-pahatonga izany, dia afoin'ny olombelona ho an'i Losifera ny fanapahana ny tany. Tamin'ny fotoana nisehoan'i Satana tany amin'ny filan-kevitry ny lanitra ao amin'ny bokin'i Jôba no efa nireharehany ny maha-tompon'ny tany azy. "Avy taiza hianao?" hoy i Jehôvah taminy. "Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny" hoy izy (Joba 1:7).

Nanambara i Satana fa azy ny tany; tamin'ny andro fahiny dia nampiasaina ny tongotra mba haneho ny maha-tompon'ny tany ny olona iray. "Míainga hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy." - Gen. 13:17.

Ampitahao ny 1 Tes. 4:13-17 sy ny Zak. 14:4, ary ifantohy ny tongotr'i Kristy. Inona ny fahasamihafana hitanao eo amin'ireo toko sy andininy ireo, ary inona no ampianariny antsika momba ireo lafiny roa samy hafa, na dia mifandray aza, eo amin'ny fanapahan'i Kristy an'ity tontolo ity?

Izao no nosoratan'i Ellen G. White momba izay ataon'i Kristy amin'ny fiafaran'ny arivo taona: "Midina eo amin'ny tendrombohitra Oliva i Kristy, izay toerana niakarany taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty, sy namerenan'ireo anjely ny teny fikasana momba ny fiverenany koa. Hoy ny mpaminany: 'Ary ho avy Jehôvah Andriamanitro mbamin'ny masiny rehetra momba Azy.' 'Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany (...) ka hisy lohasaha lehibe." "Ary Jehôvah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehôvah ; sady iray no anarany." -Zak. 14:5,4,9. Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema Vaovao izay sady kanto no mamirapiratra, dia hipetraka eo amin'ny toerana efa nodiovina sady voaomana handray azy, ka hiditra ao amin'ny Tanana Masina i Kristy miaraka armin'ny vahoakany sy ny anjeliny." - HM, tt. 689, 690.

Jereo ny fanantenana omena antsika ao amin'i Jesôsy. Eritrereto ny hamafin'ny fiainana raha toa ny fahafatesana no mamarana mandrakizay ny zava-drehetra. Ho zava-poana avokoa ny zavatra rehetra, sa tsy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal