Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tahafo i Jesôsy sy ny fitsipi-pitondrantenany.

Daty
Alarobia 04 June 2025

 "Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesôsy koa." - Fil. 2:4,5.

Mofon’aina:
Tsy misy fenitra ampianarin'ny filazantsara mahakasika ny   fitsipi-pitondrantena afa-tsy ny toetran'Andriamanitra izay tanteraka sy ny Sitrapony. Takin'Andriamanitra ny hanarahan'ny voariny ny Sitrapony. Fahotana ny tsy fahatanterahan-toetra, ary ny ota no fandikana ny lalàna. Ao amin'Andriamanitra ny toetra tsara rehetra izay tonga lafatra sy mirindra tsara. Manana tombontsoa hanana ireo toetra ireo izay rehetra mandray an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana. (...) 

Be voninahitra manao ahoana re ireo tombontsoa fanararaotra marobe atao eo anoloan'ny taranaka lavo! Nasehon'Andriamanitra tamin'ny olombelona ny fahamboniana mety ho tratran'izy ireo; amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy no anandratana azy hiala amin'ny toerana mahonena misy azy mba ho voadio sy sarobidy lavitra noho ny volamena avy any Ofira. Azon'izy ireo atao ny ho tonga mpiara-dia amin'ireo anjely ao amin'ny voninahitra ary koa ny haneho taratra ny endrik'i Jesôsy Kristy ka hamirapiratra amin'ny famirapiratan'ny seza fiandrianana mandrakizay. Tombontsoa omena azy ny hanana finoana fa hovana tsy mety maty izy amin'ny alalan'ny herin'i Kristy. Eo anatrehan'izany anefa, dia zara raha tsapany ny fahamboniana mety ho tratrany raha avelany hitari-dalana azy isaky ny indray mandingana Andriamanitra! 

Omen'Andriamanitra fahalalahana hitana ny maha-izy azy ny tsirairay. (...) Ireo izay maniry ny hanana saina sy toetra voaova dia tsy tokony hijery ny hafa fa hibanjina ilay Ohatra avy any an-danitra. (...)

 Ilay zavatra rehetra sy ao amin'ny zavatrarehetra no Ohatra ho antsika, Ilay Kômandin'ireo arivoarivo, Ilay manana fahamboniana tsy manam-paharoa. Tamim-pitiavana no netezany hiaina tahaka antsika (...) mba ho azon'izao rehetra izao hotahafina ny Fiainany. Tafaray tao amin'i Kristy ny harena sy ny fahantrana, ny fiandrianana sy ny fietrena, ny fahefana tsy voafetra sy ny fahalemem-panahy ary ny fanetren-tena, izay ho hita taratra eo amin'ny fanahy rehetra mandray Azy. Tao Aminy, tamin'ny alalan'ireo fahaiza-manao sy ny fisainana maha-Olona Azy, no nanehoana ny fahendren'ny Mpampianatra lehibe indrindra izay tsy mbola fantatr'izao tontolo izao. - ST, 3 Septambra 1902.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal